Mahatratra 25 ireo olona voasambotry ny polisy ao Mahasalama, Port-Bergé, faritra Sofia, nanomboka ny volana oktobra hatramin’ity volana novambra ity. Voasambotra ny 03 novambra lasa teo ny valo amin’izy ireo. Izay nahitana mpitantana telo sy mpikambana dimy. Voarohirohy amin’ny asa fisolokiana ao anatin’ny tambajotra Qnet izy ireo. Tambajotra malaza amin’ny […]
Taratra
Ambohimanambola : Maty voatifitra ireo telo lahy nanafika mpandraharaha
Nifanenjehin’ny mpitandro filaminana, maty voatifitra ny telo tamin’ireo jiolahy dimy saika hanafika teny Ambohimanambola. Nirefodrefotra ny basy teny amin’ny fokontany Ambilomaro, kaominina Ambohimanambola, ny alin’ny sabotsy hifoha ny alahady 9 novambra lasa teo. Naharay angom-baovao avy amin’ny tsara sitrapo ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra Ambohimanambola fa misy andian-jiolahy mikononkonona […]
FANTINA sy FINTINA
Telo ireo fanendrena nofoanan’ny filankevitry ny minisitra ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ izany ny nanesorana an-dRakotomanga Rinah teo anivon’ny masoivohon’i Sina. Tahaka izany koa ny mpanolontsain’ny masoivoho ao Frantsa, Randimbiarisoa Mishou, ary ny nanalana ny masoivoho atsy Maorisy, ny Jly Camille Vital. Nofoanana ny fepetra tsy fahafahana mivoaka an’i Madagasikara […]
Tsy fahazoana mivoaka an’i Madagasikara: Miisa 34 ireo olom-panjakana ambony teo aloha
“Mandrara ny fivoahana an’i Madagasikara ho an’ireo olom-panjakana ambony, miisa 34 teo anivon’ny fitondrana teo aloha, ny didy fanapahana, lah. 286 noraisin’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny 31 oktobra 2025.” Io ny fampahalalam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny faran’ny herinandro teo, momba ireo olom-panjakana ambony teo amin’ny fitondrana […]
Tsy moramora fa maromaro
Fanavaozana, fanovana, fanorenana ifotony… Izany no malaza amin’izao? Amin’izay tenenina sy atao io. Hatraiza? Miara-dalana ho azy amin’izany ny hoe fifanatonana, fifampiresahana, fifanarahana… Fanovana ilaina koa izay. Mila amolahan-tena, ifampitaizana, ampitoerina… Tsy efa lasa ny zavatra taloha? Na efa tsy lasa koa fa tsy nahombiazana, tsy nifampitokisana, nanotrika alahelo anaty… […]




