Manohana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara i Etazonia. Vola mitentina 175 tapitrisa dolara no entina miasa mandritra ny 5 taona (2026-2030). Vola mitentina 134 305 000 dolara ny fanampiana avy amin’ny governemanta amerikana hanatanterahana ny fiaraha-miasa ara-pahasalamana eto Madagasikara. 41 216 252 dolara kosa ny tetibola entin’ny governemanta malagasy hiaraha-miatrika ny […]
Taratra
TARATRY ny KANTO
Maika ny fanarenana ny Mozea Vavitiana ao Toamasina. Anisan’ny nitondra takaitra mafy koa ity tranombakoka mitahiry ny tantaran’i Madagasikara ity, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Harenina haingana ity vako-pirenena ity, raha ny nambaran’ny minisitera. Nahitam-pahavoazana mavesatra ihany koa ny Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera, “Masôva 501”, izay sady biraon’ny minisitera no […]
MSK – Oniversiten’Antananarivo : Nomen-danja indray ny teny malagasy
Nosokafana, omaly, teny Ambohitsaina Ankatso, ny fanamarihana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny » ifarimbonan’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Ivon-toeram-pikarohana momba ny arika sy ny zavatra ary ny olona malagasy (Itazoma/Ciram) ao amin’ny Zanatsehatra Malagasy, Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra ary Siantsan’ny Maha olona. Nosantarina tamin’ny diabe norahavana hira, ny fandaharam-potoana. Narahina fampirantiana ireo […]
Havàtsa-Upem : Manerana ny Nosy ny antsa tononkalo
« Tononkalo avy amin’ny tanàna ». Lohateny nampitondrain’ny Havàtsa-Upem ilay hetsika hotontosaina, anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha. « Aingam-panahy avy amin’ny tanàna = faritra, vohitra, toerana… Manerana an’i Madagasikara », hoy ny fampahalalana sy fampahafantarana ary famintinana nataon’ny mpikarakara momba ity hetsika hanamarihana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny […]
AmbondronA sy mi’Ritsoka: Hisy seho goavana ho an’i Toamasina
Samy manao ny tandrify azy. Hanohy ny andian-tseho, ho fanangonam-bola hanampiana an’i Toamasina ny tarika AmbondronA. Ao amin’ny Kianjaben’i Mahamasina, vavahady P1, ny alahady 8 marsa. Io ny fotoan-dehibe homen’ny tarika AmbondronA ireo mpankafy azy eto Antananarivo. Fampisehoana goavana no homanina, iarahan’ny tarika misalahy amin’ny mi’Ritsoka Production eo amin’ny fampitaovana […]





