Nisy hetsika, andrana, natao ho fiatrehana raha sendra misy loza mitranga eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Antananarivo Ivato, ny 31 oktobra teo. Natao araka ny fitsipika ana habakabaka eto Madagasikara, apetraky ny Antokondraharaha misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily eto Madagasikara (ACM) sy ny Vondrona misahana ny fitaterana ana habakabaka sivily […]
Taratra
Tao anatin’ny telo taona : 734 tapitrisa Ar ny fatiantoky ny Jirama
Manjaka ny kolikoly eo anivon’ny orinasa Jirama. Tsy mazava ny fitantanana sy ny fandrindrana ny tahirin-tsolika ampiasaina sy ny vokatra nafarana. Tafakatra hatrany amin’ny 734 tapitrisa Ar ny fatiantoky ny Jirama nanomboka ny taona 2020 ka hatramin’ny 2023, vokatry ny kolikoly sy ny tsy fisian’ny fanaraha-maso hentitra amin’ny fitantanana ny […]
Karate-« Mada 2025 »: Nanjaka ny ligin’Analamanga
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja karate ho an’olon-tokana, teo amin’ ny sokajy Cadet, Junior ary Senior. Nanjaka ny mpikatroka avy eto amin’ny ligin’ Analamanga, raha ny vokatra, satria norombahin’izy ireo ny medaly volamena 19 tamin’ ireo 23 niadiana. Anisan’ny nisongadina i Rija, […]
Ho fampandrosoana ny firenena: Hisy ny fikaonandoham-pirenena kristianina
Hotanterahina ny 19 hatramin’ny 21 novambra, etsy amin’ny ISTS Mandrimena Iavoloha, ny fikaonandoham-pirenena kristianina. Hetsika karakarain’ny Fikambanana mampiely Baiboly eto Madagasikara. “Manana anjara biriky entina hampandrosoana sy hanarenana ny firenena ny kristianina”, hoy Rabenifara Désiré, filohan’ny filankevi-pitantanan’ny fikambanana FMBM. Mahatratra 10 ny lohahevitra hodinihina eny an-toerana, mandritra ny herinandro. Anisan’izany, […]
Kianja Barea Mahamasina : Vita ny 90 isan-jaton’ny asa fanamboarana
Nambaran’ny tale jeneraly vaovao, eo anivon’ny orinasa KBM, Rasolovoninjatovo Mady, omaly, fa efa ny 90 isan-jaton’ ny asa, ankehitriny, no efa vita amin’ny fanamboarana ity kianja ity. Ny folo isan-jato kosa, na ny fiandrasana ny fahavitan’ireo tohatra eny amin’ny “gradins”, izay singa notakin’ ny Kaonfederasionina afrikanina misahana ny baolina kitra, […]




