Lasa misy fikorontanana anaty tsy fidiny ny eny anivon’ny kaominina sy ny fokontany sasany amin’izao. Misy ny fanararaotana? Na nipoaka ho azy izay niotrika ela… Tsy inona fa ny hetsika ataon’ny mponina na ny ampahan’ny mponina: mitaky ny fanalana ny ben’ny Tanàna na ny lehibem-pokontany, tsy mamela ny famohana […]
Taratra
Famafana sazy : Ho avy hifampiresaka ny iraky ny Vondrona afrikanina
Handefa iraka ho avy eto Madagasikara ny eo anivon’ny Vondrona afrikanina (UA). Hanelanelana sy hitady vahaolana manoloana ny raharaham-pirenena izy ireo, indrindra taorian’ny nilatsahan’ny sazy ho an’i Madagasikara. Ho avy indray ny iraka manaraka. Notendren’ ny filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina (UA), ho iraka manokana ho avy eto Madagasikara tsy ho […]
TSELATRA
Dahalo telo lahy nikasa hanafika mpandraharaha maty voatifitry ny zandary, omaly, tany Ambato Boeny. Nifanandrina tamin’ny zandary izy ireo ka izao lavo izao. Teny an-dalana avy any Andranofasika hihazo an’Ambato Boeny (lalam-pirenena faha-33bis) ireo olon-dratsy ireo ny alin’ny alatsinainy, tamin’ny 11 ora. Nanao vela-pandrika ny zandary ka nahatrarana azy ireo. […]
Ranomasin’i Katsepy: Tafakatra 14 ireo razana hita
Nitombo ho 14 ny isan’ireo maty an-drano, hita tany amin’ ny fokontany Antrema, kaominina ambanivohitra Katsepy, distrikan’i Mitsinjo, faritra Boeny, hatramin’ny omaly maraina. Hita tany amin’ny fari-dranomasin’ny Grand pavois Mahajanga ny roa, raha tany Marohala kosa ny iray hafa. Naterina any amin’ny tranom-paty CHR Androva ireo razana hita ireo. Marihina fa […]
Fanamafisana ny filaminana : Nametraka paikady ny OMC nasionaly
Nivory miaraka ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, sy ireo lehiben’ny fitandroana ny filaminana sy ny lafintany, eo anivon’ny OMC nasionaly, afakomaly alina. Niompana tamin’ny filaminana amin’ny ankapobeny ny dinika ka tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana ny paikady rehetra hiatrehana izany. Anisan’ny nifanakalozan’ ireo tomponandraikitra ny fanamafisana ny filaminana […]




