Nidina ifotony tany amin’ny Sirama Ambilobe ny iraky ny fitondram-panjakana. Namaha ny olan’ny orinasa sy ny mpiasa izy ireo tamin’izany. «Ataontsika ny tsy hahavery asa anareo mpiasan’ny Sirama. Efa miroso any amin’ny fandaminana isika izao », hoy izy ireo, nanoloana ireo mpiasa. Nisedra olana tao anatin’ny telo volana ireo mpiasa, nahatonga […]
Taratra
« Scène slam » : Omena lanja ny famoronana
Tafiditra ao anatin’ny fampitiavana sy fampivelarana ny tontolon’ny Slam, hanatanteraka fihaonana manana endrika atrikasa « Scène slam » ny Goethe-Zentrum/Cercle Germano-Malagasy etsy Analakely. Hetsika hotanterahina ny tontolo andron’ny asabotsy 8 novambra izao. Omen’ny Madagaslam lanja ao anatin’izany ny asa famoronana tsy voafehin’ny lohahevitra fa malalaka, amin’ny ambaran’ny vava. Manomboka amin’ny 10 ora […]
“Festival des pirates”: Ny kolontsaina ho fanoitra ho an’ny fizahantany
Raha vao miresaka jiolahin-tsambo, fahiny, dia miresaka ny Nosy Sainte Marie izay. Tena nitoerany sy nivezivezen’izy ireo ity nosikely aty Madagasikara ity. Maro ny fikarohana ara-tantara manaporofo izany, manampy ireo ny vakoka hita maso an-tanety, sy ireo harembakoka any amin’ny farany lalina an-dranomasina. Manintona mpizahatany izy ireny, ka nampitsiry ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nandefa taratasy eny amin’ny HCC ireo minisitra teo aloha isany, Sahondrarimalala Marie Michelle sy Razafinjato Aurélie mba hiverenan’izy ireo ho depiote indray. Voafidy tao Fianarantsoa sy Vohibato izy ireo fa voatendry minisitra tamin’ny fitondrana Rajoelina. Niakatra ho depiote ireo mpisolo toerana. Hiverina eny Tsimbazaza izany izy roa vavy. Hisokatra sy […]
Raharaham-pirenena : Mijoro hiaro ny tolona sy hanara-maso ny asa ny KMT
“Najoro ny Komity miaro ny tolona (KMT) mba hiaro ny tolona natao”, hoy ny fanambaran’izy ireo, notarihin’ny mpandrindra nasionaly, Rakotomavo Lanto, teny Mahamasina, omaly, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Mba hanarenana sy hamerenana an’i Madagasikara sy ny Malagasy eo amin’ny toerana tena sahaza azy no antony itsanganany. Hitondrana koa ny fanavaozana eo […]




