Taratra

Ny soa atao …

  Anatin’ny asa fanarenana hatrany ny voina navelan’ny rivodoza Gezani ny Malagasy. Efa mandeha ny tolo-tanana avy eto an-toerana sy avy any ivelany. Efa mazava rahateo ny fitsipi-dalao nosoritan’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Anatin’ny mangarahara tanteraka ny fitsinjarana sy ny fitantanana ny fanampiana ho an’ny traboina. Tsy hilefitra amin’ny mpandika lalàna […]

Fivorian’ny Vondrona Afrikanina : Hiady ny hanafoanana ny sazy ny delegasionina malagasy

Efa any Addis Abeba, andro maromaro, ny delegasionina malagasy hiatrika ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona Afrikanina (UA). Mitarika azy ireo amin’ny fandresen-dahatra any an-toerana ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine. Anisan’ny nandray ny minisitra tamin’izao diany any Addis Abeba izao ny filohan’ny vaomieran’ny UA, Mahamoud Ali Youssouf, omaly. Nambaran’­ ny delegasionina […]

TSELATRA

Olona efatra (lehilahy telo sy vehivavy iray) naiditra vonjimaika am-ponja, ny 09 febroary 2026, noho ny fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina mahery vaika “héroïne”. Voasambotry ny polisy tetsy Ambo­hidratrimo sy Antohomadinika IVO, ny herinandro lasa teo. Nahitana fonosana miisa 80, milanja roa grama tany amin’izy ireo, rehefa nosavaina. Mbola nahitana fitsindrona miisa […]

disadisa momba ny resaka tany : Mpianaka nalaina an-keriny novonoina

Taorian’ny fikarohana na­taon’ny manam-pahafena ma­ha­kasika ny famonoana renim-pianakaviana iray sy ny zanany lahikely vao herintaona, tany Amparihimanga Mari­tampona, disitrikan’i Tsiroani­mandidy, ny zoma sy sabotsy lasa teo. Olona telo no voasambotry ny zandarimariam-pirenena any an-toerana amin’izao fotoana izao. Olona iray hafa maty voatifitry ny zandary rehefa nikasa hitsoaka. Disadisa sy fialonana […]

Reniranon’Ikopa :Tovolahy iray namoy ny ainy

Niara-nilalao rano tamin’ny tovolahy namany, natelin’ny rano ka nifamonjena saingy tsy tana ny ain’ny tovolahy iray, tao amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, ny alahady 15 febroary teo. Nanomboka tamin’ny 1 ora sy fahefany tolakandro, nilalao rano teo amin’ny reniranon’Ikopa ny andiana tovolahy maromaro. Anisan’izany io tovolahy io. Nilentika tampoka anefa izy. […]