Notafihin’ny dahalo miisa sivy, mirongo fitaovam-piadiana, tany amin’ny lalam-pirenena fahefatra, afakomaly alina, ny taksiborosy miisa roa. Nitranga teo Antananarivokely, atsinanan’i Bevilany, Maevatanàna, ny loza. Nanao sakan-dalana ireo dahalo ary nandroba ny mpandeha tao anatin’ny fiara. Novelesin’ireo olon-dratsy tamin’ny vodi-basy ny mpamily fiara ka naratra mafy. Ramatoa iray nipetraka teo alohan’ny […]
Taratra
Antanimena : Lehilahy iray tratra namono olona
Lehilahy iray voasambotry ny polisim-pirenena, tetsy Antanimena, afakomaly. Voarohirohy noho ny famonoana olona niniana natao izy io. Naharay antso avy amin’ny olon-tsotra ny polisim-pirenena ny marain’ny 29 oktobra 2025 lasa teo, fa misy olona voadaroka sy naratra mafy eo Antanimena. Nidina nijery ny zava-misy teny an-toerana ny polisin’ny UIR, taorian’ny […]
Tsy fisian’ny lakana: Lehilahy iray maty an-drano tetsy Anosipatrana
Natelin’ny ranon’Ikopa tetsy Anosipatrana, afakomaly alina, ny lehilahy iray. Hita omaly maraina ny vatana mangatsiakany. Nahitana lehilahy iray maty an-drano, tokony ho 33 taona, tetsy amin’ ny ranon’Ikopa Anosipatrana, omaly maraina tokony hotamin’ny 8 ora sy sasany. Niampita sy nilomano izy no nilentika ka izao hita faty izao. « Niaraka niampita […]
FANTINA sy FINTINA
Nilatsaka ny didy tsy fahazoana mivoaka an’i Madagasikara (IST), ho an’ny minisitra teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michelle, sy ny mpiara-dia amin’ny fitondrana teo aloha, Rinah Rakotomanga. Niainga avy eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany izany didy izany. Midika ireo fa mbola hisy fanadihadihadiana hatao amin’izy ireo. Fifandaminana eo anivon’ny Antenimierampirenena ny fifidianana […]
Depiote Rajerison : “Ny nataon’ny teo aloha ihany ny eny amin’ny Antenimiera”
“Aminay manokana, raha izao ny fiovana sy fanovana nitolomana: maty momoka. Tsy mety intsony”, hoy ny depiote tsy miankina voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny Fivoi, Rajerison Antoine, ny amin’ny fifidianana birao maharitra eny anivon’ny Antenimierampirenena, afakomaly. Raha ny lisitry ny olona ho lany ao amin’ny birao maharitra: efa fantatra sy […]




