Tontosa omaly, teny amin’ny QG Tanora Ankorondrano, ny famindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS) teo aloha, Moustapha Abdulah Marson, sy ny minisitra vao voatendry, Rasambany Alain Désiré. «Firahalahiana tanteraka! ». Io ny teny namaritra ny famindram-pitantanana teo amin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena teo aloha, Moustapha […]
Taratra
Tsy fandriampahalemana ao Toamasina : Nampiaka-peo ny mpirakidraharaha
Tsy takona hafenina intsony ny firaviravian-tanan’ny mpitandro filaminana, hany ka zary lasa mampirongatra ny tsy fandriampahalemana izany. Efa mihatra isam-baravarana, manerana ny fokotany 138, anivon’ny kominina ambonivohitr’i Toamasina izany. Vokany, tsy naharitra ka niloa-bava sy nampiaka-peo no sady nikiakiaka ny mpirakidraharaha eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana ambony […]
Jly Razafitombo Ely : «Hamafisina ny firaisankina eo amin’ny Foloalindahy»
Naneho ny fahavononany hanamafy ny firahalahiana amin’ny alalan’ny firaisankina eo amin’ny Foloalindahy Malagasy ny minisitry ny Foloalindahy (MFA) vaovao, ny Jly Razafitombo Mamirina Ely, omaly, nandritra ny famindram-pitantanana teo aminy sy ny MFA teo aloha, ny Jly Deramasinjaka. Tontosa omaly, teny amin’ ny minisiteran’ny Foloalindahy Ampahibe, ny lanonana fifamindram-pitantanana teo […]
Marion : “Hira 45 fara-fahakeliny no iarahana…”
Tsy miova intsony ny daty, ny alahady 16 novambra 2025. Anisan’ny vaovao lehibe nolazain’i Marion tamin’ny mpanao gazety, omaly, io. Mahakasika ilay fampisehoana goavana hanombohana ny fankalazany ny 20 taona an-tsehatra, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izany. “Ezahinay ny hanome ny fetra ambony indrindra izay takatray. Hataontsika ao avokoa ireo […]
Minisitra Ogascar Mandrindrarivony : “Hijoro ho mpampihavana aho…”
Nandray ny asany avy hatrany ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, omaly. Nametraka ireo laharam-pahamehana amin’ireo mpiara-miasa aminy manomboka eto izy. Hipoka olona ny Tranombokim-pirenena, omaly. Tsy olona hamaky boky na hijery fampisehoana ireo, fa tonga nanotrona ny famindran’ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera teo aloha, Mara Volamiranty […]




