Taratra

Notakina 50 tapitrisa Ar : Ramatoa natao takalonaina avotry ny zandary

Avotry ny zandary avy any Mahajanga sy avy ao Ankazomborona ny renim-pianakaviana nataon’ny jiolahy takalonaina. Nokasain’ireo olon-dratsy natakalo vola mitentina 50 tapitrisa Ariary izy. Voasambotry ny zandary ny zoma lasa teo, ny sasany tamin’ireo jiolahy tompon’antoka amin’ny resaka fakana an-keriny ra­matoa iray, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Anka­zomborona Amboromalandy, distrikan’i Marovoay. […]

FANTINA sy FINTINA

Naneho hevitra fohy amin’ny « Facebook » ny depiote, Andriamananoro Augustin manoloana ny raharaham-pirenena. Nambarany fa tsy tokony hosimbaina ny soatoavina. « Tsy mahasoa ny fihantsiana sy ny ramatahora. Hajao ny fahendrena fa efa miroso amin’ny fifampiresahana ny FFKM. Hikatsa­hantsika fitoniana sy vahaolana izany », hoy izy. Manameloka ny famafazana lainga sy ny fanaparitahana […]

Andrimpanjakana : Narodana ankoatra ny Antenimierampirenena

“Izahay mpikambana eto anivon’ny fiadidiana iombonan’ny filoham-pirenena ho amin’ny fanavaozana dia mamoaka ny didy hitsivolana ara-panorenana lah. 2025-001, izay mampiato ny lalàmpanorenana tamin’ny 11 desambra 2010 amin’ireo andininy mifanipaka amin’ity didy hitsivolana ity ary mametraka ireo rafitra fanavaozana nasionaly”. Io ny fanambaran’ny miarami­lan’ny Capsat, notarihin’ny Kly Randrianirina Mickael, teny amin’ny […]

Mila jadona

  Sambany ! Dimy mirahalahy be izao ny filoham-panjakana malagasy manomboka, omaly. Tafapetraka ny Komitim-pirenena miaramila sy sivily hoentina manarina an’i Madagasikara. Raha ny isa nambara ao anatin’ilay rafitra aloha dia mahavelombolo satria dia taratry ny fitsitsiana tokoa. Tsy hirobaroba ny mpitondra, hanao izay hanodinana ny raharaha. Ny zava-dehibe aloha, dia […]

Notendren’ny HCC : Filoham-panjakana ny Kly Randrianirina Michael

Hisahana ny asan’ny filoham-panjakana, manomboka eto ny Kly Randrianirina Michael. Namoaka fanapahan-kevitra fankatoavana izany ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), omaly, manoloana ny raharaham-pirenena. Niainga avy amin’ny fangataham-panazavana nataon’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, ny amin’ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny Re­poblika izany. Eo koa ny tsy fisian’ny […]