“Mitondra ny fialantsiny sy ny fifonana ampahibemaso raha toa ka misy ny fanapahan-kevitra noraisina ka tsy mifanaraka tamin’ny eritreritry ny besinimaro”. Io ny nambaran’ny prefet Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, omaly, ny amin’ny tsy nanomezany fahazoan-dalana hanao hetsika teny Ambahijatovo, tamin’ny 25 septambra, […]
Taratra
Vokatry ny krizy ankehitriny : Zara raha mahalafo ireo mpivarotra ranona voanio
Anisan’ny ankafizin’ny Malagasy ny ranona voanio na Coco. Tsy dia mahalafo izy ireo nandritra ny tolona teo aloha, noho ny savorovoro nisy teny amin’iny faritr’i Mahamasina iny. Maro ireo olona tazana eto an-dRenivohitra misehatra amin’ny asa fivarotana rano fisotro voanio na Coco, amin’izao fotoana izao. Araka ny fanadihadiana natao, somary […]
TARATRY ny KANTO
Hotontosaina ao amin’ny AFT Andavamamba, ny sabotsy 18 oktobra izao, ny fifaninanana slam « Nofy maitso », andiany fahefatra. Natao ho an’ ireo mpanao slam mihoatra ny 18 taona izy ity, ary tokony hanomanana sanganasa roa ireo mpifaninana. Manodidina ny lohahevitra tontolo iainana hatrany no hifaninanana amin’izany. Ny roa voalohany amin’ireo mpifaninana […]
« MeinOrt » – CGM Analakely: Ho sehatra hampitain-davitra
Noho izy ao Analakely, akaiky ny toerana misy ny fihetsiketsehana amin’izao fotoana izao, ny CGM/GZ. Toy ireo ivokolo rehetra, voatery nanatsahatra ireo hetsika isan-karazany efa voahomana ihany koa izy ireo. Na izany aza, nahita hevitra ny hamerina indray ny tetikasa «MeinOrt » ny mpikarakara hetsika ao amin’io ivontoerana io, mba hanohizana […]
AFT Andavamamba : Hasongadina ireo boky mampatahotra
Be mpankafy ireo boky anatin’ny sokajy mampatahotra. Manana hetsika manokana ho an’izany rahateo ny AFT Andavamamba. Hampiakarana ny fitiavana ny vakiboky ny tanjona amin’ny ankapobeny. «Thriller ». Hanasokajiana ireo tantara mampatahotra, na amin’ny endriny boky, tantara fihaino na sarimihetsika izany. Nanokana hetsika manokana ho an’ireo boky mampatahotra ny AFT Andavamamba. Nahitam-pahombiazana […]




