Ho mafy ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsiraka atsimo sy avaratra atsinanan’ny Nosy. Tombanana hahatratra 55 km isan’ora izany. Manomboka anio vao maraina ny eo anelanelan’i Itampolo sy Taolagnaro ary Vohemar sy ny tanjona Bobaomby. Nahazo fampitandremana miloko mavo ao Itampolo hatrany Taolagnaro, Tanjona Bobaomby hatrany Vohemar. Entanina ny rehetra […]
Taratra
Ambaratonga voalohany : Mbola miato ny fampianarana
Herinandro fahatelo amin’ ny savorovoro miseho eto an-dRenivohitra izao, misedra olana ny fampianarana, indrindra ho an’ireo sekoly manakaiky ny toerana misy ny fihetsiketsehana. Efa niverina tapak’andro ny fandraisana ny mpianatra ny herinandro lasa teo, araka ny lamina niarahan’ ny mpanabe sy ny mpitantana sy sekoly ary ny ray aman-dreny. Tsy […]
Olan’ny firenena : Mitaky ny fandraisan’ anjaran’ny vehivavy
Manao antso avo ireo vehivavy malagasy mpitarika ho amin’ ny fandriampahalemana, fanelanelanana ary ny fandraisan’ anjara ny rehetra amin’ny fitantanana. Manolotra soso-kevitra amin’ny fanokafana sehatra ifampiresahana izay iraisan’ny hery politika, ny fiarahamonim-pirenena sy ny tanora ary ny antokom-pivavahana ireo vehivavy mpandraharaha. Ireo vehivavy manana traikefa amin’ny fanelanelanana dia vonona ny […]
Maternite Befelatanana: Tsy mandray marary sy mpiteraka vaovao
Tsy ampy ny paramedy sy ny internes mikarakara ny marary. Izy ireo anefa no tena mandray an-tanana ny fitsaboana sy tena akaikin’ireo mpila raharaha eny. Miato ny fandraisana marary ao amin’ny CHUGO Befelatanana. Nitsotra ny zava-misy marina ny mpitantana ny Centre hospitalier universitaire de Gynécologie obstétrique de Befelatanana (CHUGOB) na […]
VAOVAO TAMBATRA
Nanararaotra nisokatra daholo ny mpivarotra rehetra, omaly, indrindra ny maraina. Niezaka niasa avokoa ny taxi-be, satria nisokatra daholo ny lalana, noho ny tsy fisian’ny sakana teo Analakely. Tsotra ny antony, voasembantsembana tanteraka ny fiharian’izy ireo, amin’izao vanim-potoan’ny krizy izao. Toraka izany koa ny mpiasa tena samihafa, satria vola miditra isan’andro […]




