Nitrangana haintrano tao amin’ny kartie Antaninarenina, Fort-Dauphin, afakomaly, tamin’ny 2 ora sy sasany hariva. Trano miisa enina no kila forehitra, nahitana tokantrano 15 isa. Mahatratra 92 ny isan’ny traboina, izay mpianatra ny 15 amin’izany. Niara-nientana namono ny afo ny mponina tany an-toerana. Naharitra ora maro vao voafehy izany. Vokany, lasa […]
Taratra
Vono olona : Mpiambina hita faty tapa-doha
Nentin’ny tsy mataho-tody ny lohan’ny lehilahy mpiambina anatin’ny tanàna iray tao Vodifosa, distrikan’i Farafangana, afakomaly alina. Ny marain’ny alatsinainy, hitan’ny fokonolona nitsirara teo an-tanimboly ny vatan-dehilahy iray. Tsy nisy loha intsony io olona io, saingy tsy vaovao ho azy ireo ny firafitry ny vatany sy ny akanjo teny an-koditr’io lasibatra […]
By-Pass : Mpitondra moto namoy ny ainy
Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto iray tra-doza teny By-Pass, omaly maraina tamin’ny 6 ora sy sasany. Nifandona tamin’ny fiara nifanoha-dalana taminy izy ka nipitika avy eny ambony moto. Nitondra ireny karazana moto matanjaka sady lehibe antsoin’ny tanora “gros cylindre” ireny io lehilahy io. Nandeha mafy izy, araka ny fitantaran’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Havoaka ny fonja ireo gadra politika, araka ny didy noraisin’ny filoha Rajoelina Andry. Eo ny mpandraharaha, Rajaonah Mbola. Ireo mpanao gazety, Lôla Rasoamaharo sy i Fernand Cello. Ny depiote, Sylvestre Mahavitara sy ny ben’ny Tanànan’Antsiranana, Djavojozara Jean Luc. Andrianandrianina Voahangy. Nofoanana ny sazy tamin’ny Raharaha Apollo 21: Philippe Marc François […]
Fanambaran’ny iraisam-pirenena: Mitaky fifampiresahana ny Saf-CNGO/Sadc
Nanao fanambarana ny eo anivon’ny Southern African Council of Non-Governmental Organisations « Saf-CNGO-Sadc ». Niantso ny Vondrona afrikanina (UA) sy ny Sadc izy ireo eo anatrehan’ny fahasarotana ara-politika mitombo sy ny tsy fahatokisana amin’ny fitondrana, ary amin’ny maha filohan’ny Sadc an’i Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Hanomboka haingana ny fampihavanana sy ny fifampiresahana, […]




