Nanao fanambarana ny Vondrona Rano sy ala sy ny mpiasa ao amin’ny fitantanan-draharaha’ny minisitera misahana ny Rano sy ala (CSFOP), omaly. Miainga any amin’ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana, eny Nanisana, ny fibaikoana rehetra ao amin’ny Vondron’ny Rano sy ala, manerana ny Nosy. Nomena ny manana grady ambony indrindra, ny injeniera […]
Taratra
Tetikasa fampandrosoana : Tanora 10 nahazo famatsiam-bola
Araka ny vaovao hita tao amin’ny pejin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), omaly, nivaly ny fangatahana nataon’ireo tanora mpitondra tetikasa fampandrosoana tamin’ny Fandaharanasa fampiroboroboana ny Fandraharahan’ny Tanora (PPEJ). Miisa folo mianadahy izy ireo, efatra vehivavy ary lehilahy ny enina, nahazo izany fanohanana ara-bola izany. Famatsiam-bola mitentina 29 180 euros […]
Jirama: Tonga soa aman-tsara eny Ambohimanambola ireo milina
Nizotra araka ny tokony ho izy ny fitaterana ny ampahany voalohany amin’ireo milina 105 MW, niainga avy any Toamasina, niakatra aty Antananarivo. Araka ny tetiandro napetraka, naharitra telo andro ny fitaterana azy ireo. Tsy nisy tomika! Miisa 8 ireo fiara vaventy nitondra ny milina sasany, nahitana 74 t ny lanjany, […]
Orinasa QMM: Hita maso ny tetikasam- pampandrosoana any Taolagnaro
Manana vina hitantanana maharitra ny harena ambanin’ny tany ny orinasa QMM any Taolagnaro. Ao anatiny ny lafiny angovo, ny famatsiana rano fisotro, ny seranan’i Ehoala, ny asa sosialy, sns. Ankoatra ny angovo ilainy amin’ny asam-pihariana ataony, mamatsy herinaratra ny Jirama ao Taolagnaro ihany koa ny orinasa QMM, amin’ny alalan’ny toby […]
TSELATRA
Zazalahy telo taona namoy ny ainy rehefa latsaka tao anatin’ny dobo, teny amin’ny kaominina Tanjombato, afakomaly, tamin’ny 3 ora tolakandro. Lavaka biriky niandronan’ny rano io lasa dobo io ka nahafaty ilay zaza. Ankizy roa lahy hamonjy fianarana any amin’ny CEG Ambolotara, distrikan’i Fandriana, hifampitadiavan’ny fianakaviany, nanomboka omaly. Hitan’ny olona teny […]




