Taratra

FANTINA sy FINTINA

Mitaky ny hamotsorana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika ny mpitari-tolon’ny Gen Z, nandritra ny fandraisam-pitenenany teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, omaly. Hanomboka hitokona isan’andro eny an-toerana izy ireo ary hitety ny minisitera rehetra tsy hisy hanohy ny asa andavanandro intsony. Nilanja sorabaventy teny Ankorondrano sy ny manodidina ireo tanora […]

Fomba fiasa teknika eny ifotony: Hofaritana ny sisin-tanin’ny fokontany

Notanterahina ny herinandro teo ny fivoriana ara-teknika niarahan’ny Foiben-taontsaritanin’i Madagasikara (FTM) sy ny sampandraharan’ny fandrefesan-tany (DST), eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Anisan’ny nifantohan’ny lohahevitra ny lafiny teknika sy stratejika mba hirosoana amin’ny fanavaozana ny sehatry ny fananantany sy ny fanajariana ny tany. Anisan’ny nifanakalozana hevitra […]

Am-bavam-pihaonana

  Rava ny firenena miady an-trano? Tsy misy resy, tsy misy mpandresy… Sanatria, samy potika an-toerana. Am-bavam-pihaonana? Mbola misy ny azo atao, fa tsy manary toky. Amin’izany, misy hatrany ny mampiaka-peo fa tsy misy fihaonana na fifampidinihana azo atao na mety ho tanteraka amin’izao, raha tsy misy ny fandriampahalemana sy […]

Fiadidiana ny Repoblika : “Ny fifampiresahana no vahaolana amin’ny krizy”

Nanao fanambarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, omaly. Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fiantsoana fifampiresahana mba hamahana ny olana misy amin’izao fotoana izao. «Ny fiadidiana ny Re­poblika dia ma­nambara amin’ny vahoaka sy amin’ny vondrona iraisam-pirenena fa misy ny fikasana haka an-keriny ny fahefana amin’izao fotoana izao, eto amin’ny tanin’ny Repoblika, […]

TSELATRA

Olona roa naratra vokatry ny tifi-danitra nataon’ny Tafika eo anivon’ny Capsat, teny Soanierana, omaly. Renim-pianakaviana sendra nandalo ny iray tamin’ireo naratra ka nentina nihazo ny toeram-pitsaboana. Manaraka fitsaboana eny anivon’ny HJRA avokoa ireo naratra vokatry ny tifitra nahazo azy, nandritra ny hetsika ny Gen Z, ny sabotsy lasa teo. Anisan’izany, […]