Nanjakan’ny dahalo tanteraka tao amin’ny tanànakely iray “ex Collège” manamorona ny reniranon’Ivoloina, ao amin’ny fokontany Ivoloina ihany, distrikan’i Toamasina II. Raha ny angom-baovao tany an-toerana, misasakalina no niditra an-keriny trano fivarotana voalohany ny andian-jiolahy miisa folo mirongo basy poleta roa, raha antsy lava kosa ny ambiny. Vao tafasokatra ny varavaran’ireto […]
Taratra
Famakiana ny Kianjan’ny 13 Mey: Miaramila iray sy sivily roa namoy ny ainy voatifitra
Miaramila kilasy faharoa, niasa tao amin’ny Capsat no maty, afakomaly. Voatifitra tamin’ny fifanjevoana teny amin’ny Toby Ratsimandrava izy. Nisy sivily roa lahy kosa lavo teny Ambohidahy. Niampy telo ny olona namoy ny ainy nandritra ny hetsika fidinana an-dalambe nataon’ny Gen Z sy ny vahoaka leo delestazy. Miaramila iray, miasa ao […]
Tsipy kanetibe – «Mondiaux 2025»: Tafita amin’ny fihodinana fahefatra ny Malagasy
Nitohy omaly, tao amin’ny Kianja mitafo Douaisis, France, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy vehivavy. Ny fiatrehana ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’olon-telo miaraka no natrehin’ireo mpifaninana rehetra. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany ny Malagasy izay tafita amin’ny fihodinana fahefatra. Raha tsiahivina ny lalao vitany, resin’i Belgique teo […]
SOMBIM-BAOVAO
Efa manomboka fantatra ireo mpikatroka handray anjara amin’ny “Muay Thai Tournament 3″ hatao ao amin’ny Arena Toamasina, ny 23 novambra izao. Anisan’ny hifaninana, mandritra izany, eo amin’ny sokajy vehivavy, i Lova, latsaky ny 54 kg, i Eulalie latsaky ny 58 kg ary i Miora, latsaky ny 60 kg. Hisy ny”prize […]
Fiofanana Fiba Afrika: Malagasy mpitsara telo afa-panadinana
Namoaka ny anaran’ireo mpitsara afrikanina nahomby tamin’ny fiofanana ny eo anivon’ny Fiba Afrika. Malagasy mpitsara telo, ahitana an-dRabemananjara Mbolamena, Son of Man Sunshine Cynthia Anastasie ary Rakotonirina Lantomananarivony Aina Redjany, no afaka tamin’ny fanadinana ka nahazo ny mari-pahaizana Niveau 1. Tsiahivina fa mpitsara efatra no niatrika ny fiofanana ho an’i […]




