Tsy mbola milamina tanteraka sy azo antoka ny toe-draharaham-pirenena eto Madagasikara? Indrindra ny tontolo politika… Manoloana izany, tohivakana ny iraka avy any ivelany tonga eto Madagasikara, raha ny fampitam-baovao avy eny amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny voaray omaly. Eo, ohatra, ny delegasionin’ny Firenena mikambana (ONU), notarihin’ny tale lefitry ny sampandraharahan’ny ONU misahana […]
Taratra
Banja malalaka
Mampiaiky volana ny herin’ny facebook! Tena zary kianja filalaovan’ny mpiserasera eto Madagasikara ilay izy. Banja malalaka ampy hifanandrinan’ny samy mahery. Na mpitondra na mpanohitra samy mitondra ny lohany. Tsy ahitana taratra izay faharefoana izany mihitsy. Na iza na iza mampiranty toa tampim-pahaizana sy tsy kasihan’ota izany. Izay mivoaka babany […]
Filoham-panjakana Randrianirina Michaël : « Tsy voninahitra lanjaina fotsiny ny galona jeneraly »
Niatrika ny fanolorana faneva ho an’ireo manamboninahitra jeneraly, teny Ivato, ny filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël. Nisy ny hafatrafatra sy toromarika nomeny ny Foloalindahy, tamin’izany. Niantso ireo manamboninahitra jeneraly ny Filoham-panjakana tamin’ ny lahateniny mba hitodika bebe kokoa amin’ny vahoaka sy hitondra tamberin’andraikitra ho an’ny firenena. Nohitsiny fa mitaky fitondran-tena tsy […]
Fanitarana ho 1 taona ny Agoa : Asa 7 000 tandindonin-doza
Niova tampoka ny toe-draharaha. Nanapa-kevitra ny Antenimierandoholona amerikanina fa hitarina herintaona monja ny African Growth and Opportunity Act (Agoa), raha telo taona no nolanian’ny Antenimierampirenena tamin’ny 12 janoary lasa teo. Noho izany, asa manodidina ny 7 000 no tandindonin-doza eto Madagasikara. Naneho ny ahiahiny manoloana ny zava-misy ny Vondron’ny orinasa afakaba […]
VAOVAO TAMBATRA
Notazonina vonjimaika am-ponja, eny Tsiafahy, ilay lehilahy tratra nitondra antsokosoko volamena milanja 800 grama teny amin’ny seranan’Ivato. Amin’ny volana marsa ny fotoam-pitsarana azy. Nanamafy ny minisitry ny Harena an-kibon’ny tany, Andriamparany Carl, omaly, fa tsy mitsitsy ny fitondram-panjakana amin’ ireo mikasa ny tsy hanara-dalàna eto amin’ny firenena, ary sazy henjana […]





