Taratra

DAKA AN-JORONY: Aza manao angady tanimanga

Toetra iray mampiavaka ny tomponandraikitra eto Madagasikara, tsy amin’ny raharaham-panjakana ihany, fa hatramin’ny fitantanana ny fanatanjahantena ny tsy fahafahana manapa-kevitra. Tsy maintsy miandry lehibe vao afaka manao zavatra, na hatramin’ny bitika indrindra aza. Aza manao angady tanimanga ê, ka tsy mahatapaka ahitra ary ny famaky banga no tsy mahalavo hazo. […]

Tsipy kanetibe– Mondiaux 2025: Nody maina ny ekipam-pirenena malagasy

Tsy toy ny tamin’ny sokajy lehilahy fa niveri-maina ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tsipy kanetibe, vehivavy. Nihintsana tany amin’ny dingana ampahavalon-dalana ny olon-telo miaraka, raha teo amin’ny ampahefa-dalana kosa ny fifaninanana mitifitra «tir de précision». Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipa malagasy, sokajy vehivavy, nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, […]

Fifanintsanana Mondial 2026: Mety hihena ny isa efa azon’ny Barean’i Madagasikara

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny hoe hanaisorana izay isa azony tamin’ny fandreseny ny ekipa farany ao amin’ny vondrona misy azy ireo firenena isam-bondrona. Voaka­sika anatin’izany ny Barea, andrasana ny fanambaran’ny Caf. Rehefa nivoaka ny vaovao, ny faran’ny herinandro teo, niala tsy nifanintsana tao amin’ny fiadian-toerana hiakarana any amin’ny amboara […]

Praiminisitra Zafisambo Ruffin: « Manaraka ny onjany isika »

Gazety Taratra (*) : Manoloana ny toe-java-misy ankehitriny, mbola mijoro ve ny fitondrana misy anareo ? Praiminisitra (-) : Hatreto aloha dia mbola mipetraka avokoa ny rafi-panjakana misy, miandry izay fivoaran’ny toe-draharaha. Tsy mbola nametra-pialana ny Filoha no tsy misy resaka fanonganam-panjakana velively hatramin’izao. Ny azoko ambara dia miandry ny […]

Fidinana an-dalambe : Miaraka ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana

Misafotofoto ny toe-draharaha! Tafapetraka ny fitondrana vaovao anatin’ny fibaikoana ny Miaramila. Mbola am-perinasa ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra. Efa tazana eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny ankamaroan’ny mpanao politika, mpanohitra. Hitohy anio ny fitokonana faobe. Miara-dalana ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana. Nitsimbadika tanteraka ny fizotry ny tantara, afakomaly! […]