Taratra

Jono : Mikatona ny fitrandrahana drakaka

Namoaka didy ny minisiteran’ny Jono sy ny fampiroboroboana ny toekarena manga. Voarara ny fanjonoana, ny fananagonana, ny famatorana, ny fividianana, ny fitaterana, ny fitahirizana ary ny fanondranana any ivelany ny drakaka amin’ny endriny rehetra. Mihatra ity didy ity mandritra ny roa volana, manomboka ny 16 oktobra hatramin’ny 15 desambra 2025, […]

INDRAY MIJERY

Mitohy ny fanatanterahana ny fandaharanasa “Fijery Hafa” ao amin’ny faritra Itasy, miaraka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Notanterahina tao amin’ny kaominina Amba­tomanjaka ny fiofanana momba ny fiompiana trondro anaty dobo sy an-tanimbary. Nampiharina tao amin’ny Akany zandarimaria Arivonimamo ihany koa ny fiofanana momba ny Pisciculture hors sol. […]

CHU Gob Befelatanana: Sempotry ny lakrimozenina ny zaza vao teraka

Nivoaka tamin’ny fahanginana ny mpitantana ny hopitaly fiterahana CHU Gob Befe­latanana sy ireo mpiara-miasa rehetra manoloana ny herisetra sy ny faniratsirana ny zon’ireo zaza menavava sy mpiteraka ary marary tsaboina ao amin’ny hopitaly. Nihamafy ny herisetra ny alakamisy teo ary tena nihatra aman’aina amin’ireo olona manaraka fitsaboana sy mpiteraka ao […]

Fisotroan-dronono: Misokatra amin’ny 6 ora ny caisse

Nametraka fandaminana manokana ny tahirimbolam-panjakana ho an’ny fandraisan’ny zokiolona ny vola fisotroan-dronono. Misokatra amin’ny 6 ora maraina ny toerana rehetra handraisana izany eto Analamanga, nanomboka omaly hatramin’ny 16 oktobra izao. Natao izany ho fitsinjovana ny zokiolona manoloana ny korontana misy eto an-dRenivohitra, vokatry ny fitakiana an-dalambe ataon’ireo mpitolona. Manaraka hatrany […]