Ampy tsara ny tahirim-bola ao amin’ny Banky foiben’i Madagasikara. Marindrano ihany koa ny Ariary miohatra amin’ny vola vahiny, indrindra ny dolara, na somary latsa-danja kely aza miohatra amin’ny euro. Nanome tatitra ny zava-misy ankapobeny amin’ ny lafiny vola malagasy ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Notsipihin’ny governora Andrianarivelo Aivo Handriatiana, fa […]
Taratra
TSELATRA
Niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana Anosy, omaly, ireo mpanao fihetsiketsehana miisa 28 voasambotry ny zandary teto Antananarivo. Naiditra vonjimaka am-ponja eny Tsiafahy ny dimy amin’izy ireo. Antony hanenjehana azy ireo ny filazana fa nandray anjara tamin’ny fandrobana. Raha toa ka nahazo fahafahana vonjimaika ny enina tamin’izy ireo. Arahi-maso eo ambanin’ny […]
Hala-jaza tao Ihosy : Hita faty i Saka, avotra ilay varira
Hita faty iray volana taorian’ny nitondran’ny olon-dratsy azy i Saka, zazalahy 16 taona, very tao amin’ny fokontany Tsaramandroso, kaominina ambanivohitra Satrokala, distrikan’Ihosy. Zaza roa lahy niaraka nanjavona tao amin’io tanàna io, ny alatsinainy 14 septambra lasa teo. Nanaraka an’i Saka, izay mpianatry ny CEG ny zazalahy varira iray fito taona, […]
Hetsika Gen Z : Noravan’ny mpitandro filaminana
Nosakanan’ny mpitandro filaminana teny Anosy, ny hetsika nataon’ireo mpianatra ho mpitsabo sy ny mpomba ny Gen Z, nandritra ny fitakian’izy ireo ny zony, omaly. Nanao fidinana an-dalambe toy ny mahazatra azy izy ireo, nivondrona teny akaikin’ny farihin’Anosy ireo olo-malaza anaty tambajotran-tserasera sasantsasany sy ny mpanakanto. Nanao fanamiana fotsifotsy toy ny […]
Nahitana tsindron’antsy miisa 12 : Ramatoa iray nisy namono tao an-tranony
Hita faty tao an-trano fonenany, tetsy Ampivelezandrano, Vontovorona, afakomaly hariva, ny renim-pianakaviana iray, 72 taona. Notsetseman’ny olon-dratsy chiffon jaune sy nahitana tsindron’antsy in-12 isa ny vatany. Nidiran’olon-dratsy tao an-trano fonenany, teny Ampivelezandrano, ny renim-pianakaviana iray, afakomaly. Teo anelanelan’ny tamin’ny 2 hatramin’ny 6 ora hariva ny fotoana namonoan’ireo tsy matahotody azy, […]




