Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Volley-ball, ho an’ny sokajy “1ère division” lahy sy vavy. Ekipa 4 isaky ny vondrona manana isa ambony indrindra no hifandona mandritra ity ampahefa-dalana ity. Raha hiverenana ny voka-dalao omaly, lalao anisan’ny nandrasana ny teo […]
Taratra
Filoha Rajoelina tao amin’ny ONU: « Tsy mitondra fitoniana ny fifandonana »
Niakatra teo amin’ny pilopitran’ny Firenena mikambana (ONU) any New York ny filoha Rajoelina Andry, nandaha-teny, aninkeheo tamin’ny 2 ora maraina. Nambarany tamin’izany ny antso avo sy ny fametrahana filaminana maneran-tany. «Tsy vahaolana ny fizarazarana ary tsy mitondra fitoniana ny fifandonana », hoy ny filoha Rajoelina Andry. Lahateniny mavesa-danja manoloana ireo filoham-panjakana […]
INDRAY MIJERY
Feno fanahiana ny mpianatra sy ny mpiasa manodidina an’Analakely noho ny fisian’ny fitakiana ho ataon’ny olona tofoka amin’ny delestazy eny an-toerana, anio. Hatramin’ny ora farany omaly, tsy nilaza ny tomponandraikitry ny sekolim-panjakana ny amin’ny fampitsaharana ny fampianarana. Ny sekoly tsy miankina kosa dia efa nanafatra ny mpianany tsy hianatra aloha. […]
Bongolava : Nahasarika olona maro ny “Fijery Hafa”
Anjaran’ny faritra Bongolava indray no misitraka ny “Fijery Hafa” izay tetikasam-panofanana mora raisina sy azo hampiharina avy hatrany, tanterahin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Nomena tombony ny fikambanan’ny sembana sy ny sakaizany (FSSB) tamin’ity, tao Bongolava. Nampiofanina izy ireo tamin’ny fanamboarana arina fandrehitra sy famokarana tsakitsaky vita amin’ny […]
Fahasalamana: Manomboka ny tetikasa Wish II
Tetikasa mifantoka amin’ny zo sy ny tolotra ho an’ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ny « Wish II ». Mikendry indrindra ny vehivavy, ny zatovo sy ny tanora, ny olona manana fahasembanana ary ny olona marefo ny hetsika. Distrika maromaro ao amin’ny faritra Itasy no hisitraka ny tetikasa ka anisan’izany […]




