Nankalazaina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny Andron’ny manamboninahitra eto Madagasikara. ”Antenain’ny vahoaka isika”, hoy ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, nandritra izany. “Isika manamboninahitra izao no mitondra. Isika manamboninahitra izao no antenain’ny vahoaka. Dia manantena ny firaisankina sy ny fiombonam-po ho antsika rehetra mba hahazoantsika miroso”. […]
Taratra
TSELATRA
Niakatra fampanoavana tao Fianarantsoa, omaly, ilay ramatoa 24 taona malaza amin’ny fangalarana kavin-jaza tany Ambalavao Tsienimparihy. Naiditra vonjimaika am-ponja ny tenany taorian’izay. Any an-tsekoly sy any am-piangonana ny toerana fanaovany asa ratsy. Tra-tehaky ny polisim-pirenena tamin’ny herinandro lasa teo izy. Manan-janaka telo, vao telo volana monja ny farany, ity ramatoa […]
Niharan’ny fanolanana : Zazavavy 5 taona maty teo no ho eo
Maty nandritra ny fanolanana nataon’ny tsy mataho-tody ny zazavavy vao dimy taona monja tao amin’ny kaominina Andranobolaha, distrikan’i Toamasina II, ny alin’ny alahady 11 janoary teo. Voasambotry ny fokonolona teo am-panaovana ny filan-dratsiny ny lehilahy nahavanon-doza, afakomaly. Nentin’ity lehilahy ity nihazo ny toerana mangingina ilay zazavavy vao dimy taona, fantatra […]
Rotsakorana be loatra : Tafakatra 16 ireo namoy ny ainy
Tafakatra 16 ireo olona namoy ny ainy vokatry ny rotsakorana be loatra teto amin’ny Nosy, raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC omaly atoandro. Voakasik’izany ny tao anatin’ny kaominina 14, disitrika 13, faritra miisa efatra. Olona dimy tamin’ireo maty nilatsaham-baratra tany Anjozorobe. Iray hafa maty nirodanan’ny trano tetsy Bemasoandro Itaosy, efatra nirodanan’ny […]
Ahina ho namono tena : Lehilahy hita faty nihantona
Nifatotra tady teo amin’ny tendany, nihantona tao an-tranony, ny lehilahy iray 22 taona, tao Nosy Varika, omaly. Fatin’olona nihantona tamin’ny tady tao an-trano no hitan’ny ankizy iray tao amin’ny fokontany Tanambao V, distrikan’i Nosy Varika, omaly atoandro. Tovolahy vao erotrerony, satria vao 22 taona monja io hita faty io. Avy […]





