Nidina ifotony teny amin’ ny Port Secondaire Ankiakabe, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny 5 ora maraina, ny Séction Opération ao anatin’ny COUSP Maroantsetra. Nitarika ny hetsika ny lefitry ny lehiben’ny distrikan’i Maroantsetra, Ranaivoarison Pierre Olsen sy ny médecin inspecteur Dr Lalahy Andriantsiory François. Natao fanaraha-maso ara-pahasalamana ireo mpandeha sy ekipazy […]
Taratra
«E-zahasa» : Hamaly ny hetahetan’ny tanora
Notanterahina ny herinandro teo, tetsy amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampanana asa ary ny asam-panjakana (METFop), 67ha, ny sonia fiaraha-miasa amin’ny hametrahana vovonanana niomerika nasionaly ho amin’ny fampanana asa «E-zahasa». Nambaran’ny minisitra, Florent Soatiana Bety Leonne, tamin’izany fa rindrambaiko (logiciel) natao hanamora ny fampihaonana ny tolotra sy ny tinady eo […]
CHUgob Befelatanana : Nahazo fitaovana ara-pahasalamana
Notolorana fitaovana ara-pahasalamana, hahafahana mandray an-tanana ny fitsaboana ny reny sy zaza ny eo anivon’ny Centre Hospitalier Universitaire de Gynecologie-Obstetrique Befelatananana (Hopitaly Maternité Befelatanana), ny zoma lasa teo. Mba hanampiana ireo zaza marefo tsy maintsy mila fitaovana. Nahitana “ventilateur d’anesthésie” iray, izay manampy betsaka amin’ ny fameloman’aina ny zaza, mandritra […]
TARATRY ny KANTO
Mbola sarotra ny miala amin’ny mahazatra. Mety tsy ho ratsy tanteraka ilay mahazatra fa tsy ampy. Mety ho tsara ilay mahazatra fa afaka hatevenina ihany koa. Hatramin’izao, anefa, toa tsy hain’ny Malagasy ny mandrindra ny mahazatra amina fiovana hafa. Mahazatra ny mihira, mandihy… Hainy Malagasy rahateo izany. Fa, tsy « fahotana […]
Avy any ivelany avokoa… Nanjary tsy misy fotony ny Malagasy
Ny tantara mihitsy no diso ? Avy any Azia atsimo Atsinanana, hono, ny Malagasy. Taranaka Jiosy, hono ny Malagasy. Avy atsy Afrika, hono ny Malagasy… Midika ve ireo fa tsy nisy olona na tompon-tany mihitsy ity Nosy lehibe ity ? Raha ny nambaran’ny manam-pahaizana sy mpikaroka maro : « Nisy tokoa ny fifindra-monina avy […]





