Taratra

Ahina ho tsy nahazaka anatra: Ankizivavy 14 taona namoy ny ainy

Ankizivavy vao 14 taona monja, mpianatry ny EPP Mananara Ville, hita faty tao an-tranon’ny mpitaiza azy, ny alahady 21 septambra teo. Hitan’ilay olona nitaiza azy niaraka tamin’ny tovolahy tao an-trano ilay ankizivavy. Nam­piaka-peo manoloana ny zavatra hitany ilay mpitaiza, araka ny fanazavan’ny fianakavian’ilay zaza. Tsy nanampo na inona na inona, […]

Asan-dahalo : Lavon’ny bala Ikoba

Namoy ny ainy voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny atao hoe Ikoba, tao amin’ny fokontany Manampisoa, kaominina Tsinjoarivo Imanga, distrikan’i Tsiroanomandidy, ny sabotsy 20 septambra teo. Nikasa hanao fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tanànan’Antsahabe, anatin’io fokontany Manampisoa, ireo dahalo miisa telo. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ny fokonolona. Nitondra ny […]

Antsirabe: Milamina sy madio ary mora ny vidim-piainana

Betsaka amin’ireo faritra eto Mada­gasikara no manana ny mampiavaka azy. Anisan’ireo manana ny lazany manokana, indrindra amin’ny lafiny fahadiovana, An­tsira­be. Faritra iray mahasarika olona maro noho ny fahadiovany sy ny filaminany Antsirabe. Nisy ny fanadihadiana ifotony teny amin’ny tanàna an-dReni­vohitra Antsirabe, ny asabotsy lasa teo. Araka ny tazana eny an-toerana, […]

VAOVAO TAMBATRA

Tsy maintsy hajaina ny fe-potoana nifanarahana. Nanome toromarika ny orinasa Samcrete, manamboatra ny arabe migodana, Antananarivo-Toa­masina, ny minisitry ny Asa vaventy (MTP), Rafidison Richard Théodore. Nohamafisiny fa mila hafainganina ny fanohizana ny asa. Tazonina sy tohizana ny traikefa tsara tamin’ny namitana ny 8 km teo. Mbola misy 80 km ny […]