Taratra

Angaredona Mozika Festival: « Tafita ny hafatra… », hoy Rajery

Nanomboka ny 13 septambra teo… Tontosa omaly, teny Ambohimanga, ny famaranana ilay hetsika kolontsaina lehibe « Angaredona Mozika Festival » andiany faha-18. Nambaran’i Faly Randriamiarantsoa, tomponandraikitry ny serasera eo anivon’ity hetsika ity fa « fahombiazana lehibe raha fintinina ny Angaredona Mozika Festival ho an’ity taona 2025 ity. Tan­teraka tokoa ilay hoe kolontsaina mampiray […]

« Intervision 2025 »: Laharana faha-8 i Madagasikara

« Intervision 2025 », fifaninanana iraisam-pirenena eo amin’ny tontolon’ny hira, notanterahina tany Rosia. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany i Denise sy i D-Lain. Nisy ny nampisogadina azy mianadahy. Iray amin’ireny ny feo. Nanana ny fanapahan-keviny ny mpitsara… Tontosa ny sabotsy 20 septambra lasa teo, ta­min’ny 10 ora alina, tany Rosia, ny fandraisan’anjaran’i Denise […]

TSELATRA

Voasambotry ny polisy, afakomaly, ny lehilahy iray nikasa hamono ny vady aman-janany tao amin’ny faritra Amea Andavamamba. Nifamaly tao an-tranony ny mpivady, afakomaly, tamin’ny 10 ora sy 15 minitra. Nan­dray antsy ralehilahy ary nikasa hamely izany tany amin-dravehivavy sy ny zanany. Niditra an-tsehatra nisambotra ilay rangahy ny Polisy misahana ny […]

Fikambanan-jiolahy : Olona sivy nosamborin’ny polisy

Ravan’ny mpitandro filaminana ny fikambanan-jiolahy mitam-piadiana tao Maha­janga renivohitra, ny faran’ny herinandro teo. Manoloana ny asa ratsy miseholany voarain’ ny polisy miasa ao amin’ny ka­omisaria foibe, nanao hetsika manokana hisamborana ireo tsy valahara izy ireo. Naharay loharanom-baovao ny mpitandro filaminana fa mialokaloka ao amin’ny tanàn’Antanima­landy ny olon-dratsy iray anatin’ny fikambanan-jiolahy. […]

Vaky fasana : Fasana nanitrihana matin’ny pesta lasibatra

Lasibatry ny asan-jiolahy ny fasana miisa roa izay nandevenana olona voan’ny pesta ny iray tao amin’ny fokontany Amparihinomby, kaominina ambanivohitra Tsiroanomandidy Fihaonana, distrika Tsiroanomandidy, ny sabotsy 20 septambra teo. Nasesin’ireo jiolahy novakiana ny fasana miisa roa. Nikoropaka ny tompom-pasana sy ny fokonolona nanama­rina ny isan’ny  razana. Araka ny fanazavan’ny iray […]