Lasa nihazo an’ i Guinée Équatoriale, omaly, ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Tafiditra amin’ny fitadiavam-bahaolana hanalana tsikelikely ireo sazy mihatra amin’i Madagasikara eo anivon’ny Vondrona afrikanina izany, araka ny fampitam-baovao. Hihaona amin’ny filohan’i Guinée sy ny filoha Afrikanina hafa izy amin’izany. Miarahaba sy mirary fahombiazana ireo mpikamban’ny governemanta vaovao […]
Politika
Fiarahamonimpirenena : « Hiaro ny Tetezamita tsara tantana isika »
Nambaran’ireo fiarahamonimpirenena fa hanatanteraka dinika misokatra, tsy manavaka ny rehetra izy ireo. Anisan’ izany ny tanora, ny vehivavy, ireo manana fahasembanana, ny mpisehatra eny ambanivohitra. Mitarika izany ny komity ahitana fikambanana sy sehatra miisa 30 avy amin’ny fiarahamonimpirenena. « Mijoro ho mpandray andraikitra mavitrika sy miaro ny Tetezamita tsara tantana, tsy […]
Fahaverezan’ny vola 3 811 miliara Ar : Miroso amin’ny fanenjehana ny fitsarana momba ny kaonty
Nahabe resaka tato ho ato ny amin’ny volam-panjakana 3 811 miliara Ar very. Tsy mipetra-potsiny amin’izao ny fitsarana momba ny kaonty nanao ny tatitra. Irosoana ny fanaovana fanenjehana fandikan-dalàna. Mahatratra 3 811 miliara Ar ny vola very amin’ ny kitapombolam-panjakana, araka ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty, taona 2025, teny […]
FANTINA sy FINTINA
Navoaka ny fonja, nentina nohadihadiana tetsy amin’ny « Inspection générale de l’Etat », ny minisitra teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michèlle, omaly. Anisan’ny hiahiahina azy ny fanodinkodinam-bola teo anivon’ny minisitera notantaniny, tao anatin’ny efa-taona. Tsiahivina fa tazonina eny amin’ny fonjan’ Avaradrano ny tenany, amin’izao fotoana izao. Nanolotra jiro ho an’ireo eo anivon’ny Kiadin’i […]
Governemantan’ny Fanavaozana : Minisitra 17 tafaverina, 13 mianadahy no vaovao
Nampahafantarina, omaly ireo mpikambana eo anivon’ny governemantan’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana. Miisa 13 ireo mpikambana vaovao raha 17 kosa ireo tafajanona amin’ny toerany. Anisan’ireo minisitra vaovao ny misahana ny Raharaham-bahiny, Alice N’Diaye. Efa nisahana andraikitra teo anivon’ny minisitera ihany ny tenany, nialoha ny fanendrena. Minisitra vaovao misahana ny Fampianarana teknika sy […]





