Politika

Jeneraly Ramakavelo Désiré: “Efa nanapotika firenena ny fiaraha-mitantana”

Naneho ny heviny manoloana amin’izao hijoroan’ny governemanta izao ny Jly Ramakavelo Désiré. Notsiahiviny tamin’izany ny tantara. “Sahy handika ny baikon’ny Vondrona afri­­kanina sy ny Sadc ve ny Praiminisitra amin’ izao? Satria napetraka sy na­bariba­rin-dry zareo hoe mila fiaraha-mitantana. Sahy hanohitra an’ izay ve izy aloha”? Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry […]

FANTINA sy FINTINA

Hivoaka sy hampahafantarina anio alatsi­nainy na rahampitso talata ireo minisitra, ho mpikambana eo anivon’ny governemantan’ny Praimini­sitra, Rajaona­rison Mamitiana. Natsidiky ny filoham-panjakana ny herinandro teo izany tetsy Anosy, tamin’ny fiatrehany ny tatitry ny fitsarana momba ny kaonty. Nijoro ireo manamboninahitra lefitra (Coso­fam) noho ny fanahiana korontana sy fifofoana aina eto amin’ny […]

KMF/Cnoe : “Fahadisoana bevava ny fandravana ny Ceni”

“Tsy mety ny fandravana ny Ceni. Hanimba zavatra be dia be…”. Izay ny valin-tenin’ ny filoha lefitra nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Rabekijana Félix, teny Antanimena, ny faran’ny herinandro teo, ma­noloana ny fitakian’ny fiarahamonina sivily sasany toy ny Hetsika Rohy ny tokony hanafoanana ny Ceni amin’ny fikarakarana fifidianana. Efa dingana vita […]

Mbola matanjaka ny Antoko AVI : Vonona hampandroso an’i Madagasikara

Nampahafantarina tetsy Antsahavola ny faran’ny herinandro teo ny fijoroan’ny tanoran’ny antoko Avi eny amin’ny boriborintany fahenina. Mivonona amin’ny fifidianana izy ireo. Nambaran’ny filoha na­sionalin’ny Avi, Andria­miharivolamena Zava­manitra fa nanana ny tanjany sy ny heriny ny antoko. Ani­san’izany ny fananana olom-boa­fidy maro, toy ny depiote, ben’ny Tanàna, mpanolotsaina, loholona. Efa nitantanana […]

FANTINA sy FINTINA

Miantso ny Praiminisitra hanao ho laharam-pahamehana ny sosialiam-bahoaka, indrindra ny jiro sy ny rano, ny Corps des sous officiers des forces des armées de Madagascar (Cosofam), araka ny fanambarany, afakomaly. Tokony hifantoka tanteraka amin’ ny fampandrosoana ny vahoaka ireo ho minisitra, fa tsy hitady tombontsoa manokana. Nihaona tamin’ny filohan’ny Ceni […]