Politika

Filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël: “Omena fahalalahana tanteraka ny FFKM”

Nanomboka omaly, haharitra hateloana ny fikaonandoha kristianina. Nanokatra izany ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Ity farany izay manome fahalalahana tanteraka ny FFKM amin’ny fanomanana ilay dinika nasionaly. Nambarany fa zava-dehibe ny hetsika tahaka izao fa mitondra any amin’ny fanorenana ifotony iarahana manao. « Tafiditra ho anisan’izany fanorenana izany ny fanovana […]

FANTINA sy FINTINA

Anisan’ireo depiote niatrika ny fivorian’ny Antenimierampirenena, Andriamananoro Augustin, omaly, raha tsy tazana teny an-toerana teo aloha. Marihina fa efa tsy filoha lefitry ny Antenimierampirenena ho an’ny faritanin’Antananarivo intsony ity solombavambahoaka avy amin’ny Irmar, voafidy tao amin’ny boriborintany voalohany ity, amin’izao fotoana. Nampitandrina ny minisitry ny Fitsarana, Fani­risoa Ernaivo, fa tsy […]

Vohifiraisana/PFNOSCM : « Hafaingano ny tondrozotra fanavaozana »

Namoaka fanambarana ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena, PFNOSCM/Vohifi­raisina. Nambaran’izy ireo fa manohana amin’ny heriny rehetra ny tolona notarihin’ireo tanora ity vovonana ity. Na­maky bantsilana ny tsy fana­jana ny zo fototra, ireo tsy fa­narahan-dalàna, miaro fanararaotam-pahefana ny fahasahiana sy  ny fahavonana nase­hon’ireo Gen Z izy ireo. Nitarika tamin’ ny firodanan’ny fanjakana teo aloha […]

Politika ankapoben’ny fanjakana : Maika ny fikaonandoha sy ny fifidianana filoham-pirenena

Naseho ampahibe-maso teny amin’ny Antenimierampirenena, omaly, ny Politika ankapoben’ny fanjakana ho amin’ ny fanavaozana. Lohalaharana sy maika ny fikaonandoha sy ny fifidianana filoham-pirenena. Fikarakarana fifidianana marina sy mangarahara ary handraisan’ny rehetra anjara no fanambin’ny go­vernemanta vaovao. Ni­voitra izany nandritra ny fanehoan’ ny Praiminisitra Rajao­na­rivelo Herintsalama ny fampiharana ny Politika ankapoben’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Hatolotry ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama ny Antenimierampirenena, anio, ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Hifandraika amin’ireo fototry ny fanavaozana izany: fanamafisana fahaiza-manao sy ny fangaraharana, ny ady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana, fiantohana ny maha repoblikanina ny andraikitry ny Foloalindahy, famolavolana rijanteny fototra hitantanana ny Repoblika vaovao, fa­nomanana fitsapankevi-bahoaka… Raha hanao […]