“Manana fahatokiana azy ireo solombavambahoaka matoa nanolotra azy ho Praiminisitra”, hoy ny depiote tsy miankina, Andriamihaja Fanomezantsoa Yves Georges na Liva Rason, voafidy tao amin’ny distrikan’Ambositra, faritra Amoron’i Mania. Teny Mahazoarivo, omaly, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety ny amin’ny praiminisitra Rajaonarison Mamitiana Jeannot R. sy ny governemanta vaovao […]
Politika
Governemantan’ny fanavaozana : Minisitra “choc choc” no hotendrena
Mahitsy, fohy, mivantana… Kabary sy valin-teny “choc choc”? “Choc choc” koa ny minisitra hotendrena eo, raha ny nambaran’ny Praiminisitra vaovao, Rajaonarison Mamitiana Jeannot R., tamin’ny nandraisany ny asany. “Toromarika no nomen’ny filoha ahy: minisitra “choc choc”. Tonga dia manome vokatra eo no ho eo no hotendrena”. Io ny nambaran’ny Praiminisitra […]
FANTINA sy FINTINA
Kaominina miisa 24 no namoahan’ny fitsarana didy hamerenana fifidianana amin’ny ampahany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Rakotonarivo Thierry, teny Alarobia, ny faran’ny herinandro teo. Tsy ny kaominina Antananarivo Renivohitra ihany izany. Hatramin’izao, tsy mbola misy didim-panjakana miantso mpifidy hamerenana fifidianana. ”Raha ianareo no manaiky ho vidian’ny olona vola 150 000 Ar […]
Famerenana fifidianana : “Miankina amin’ny finiavan’ny fanjakana”
“Tsy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ihany no haverina ny fifidianana, fa misy maromaro. Miankina ny finiavana sy ny fahafaha-manaon’ny fanjakana io.” Izay ny nambaran’ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, tany Morondava, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny famerenana fifidianana kaominaly amin’ny ampahany. Raha ny fanazavan’ny Ceni, tsy […]
Depiote Randrianasolo Nicolas : “Azo atao ny mitsikera fa tsy miteniteny foana…”
Naneho ny heviny momba ny fahitany ny raharaham-pirenena ny depiote Randrianasolo Nicolas. Azon’ny mpanao politika atao ny mitsikera. Tsy tokony hiteniteny foana kosa anefa momba ireny dian’ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, tany ivelany ireny. “Sarotra ho ahy ny hangina manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena, indrindra ny fanenjehana […]





