Politika

FANTINA sy FINTINA

Tsy ho ela ny fivoriana tsy ara-potoanan’ny Antenimierampirenena, araka ny nambaran’ny filohany, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, teny Tsimba­zaza. « Efa voafaritry ny Lalàmpanorenana fa anjaran’izy ireo ny manolotra ny praiminisitra. Efa misy ny vondrona parlemantera maro anisa eny Tsimbazaza hanolotra izany », hoy izy. Mitaky ny hamerenana ny fifidianana depiote farany teo ny […]

Filohan’ny Antenimierampirenena : «Ny filoha no manendry izay hiara-miasa aminy»

“Tsy ao anatin’ny fivoriana izahay amin’izao fotoana izao. Nisy fanapahan-kevitry ny filohan’ny Fanavaozana izay nandrava ny governemanta. Tsy maintsy misy koa fandraisana andraikitra avy amin’ny Antenimierampirenena, araka izay lazain’ny lalàmpanorenana”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza, omaly, manoloana ny fandravana tampoka ny governemanta. Ny […]

Fandaharanasa Fanavaozana : Dingana telo lehibe no hatao

Fikaonandoham-pirenena, fanavaozana ny rafi-pifidianana, fandrafetana lalàmpanorenana vaovao ha­rahin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Ireo ny dingana telo lehiben’ny tetiandron’ny fan­daha­ranasan’ny Fanavao­zana ny Repoblika. Fanoma­nana sy fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena mo­mba ny fitantanana fifidianana sy ny rafitra iorenan’ny Re­poblika ny marsa-desambra 2026. Ao anatin’izany ny fakan-kevitra isan’ambaratonga. Hanovana ny rafi-pitantanana ny fifidianana ny jona-novambra […]

FANTINA sy FINTINA

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika: tsy nandefa hafatra amin’ny alalan’ny fifandraisan-davitra ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, ka nampilaza olona fa nahazo vola ho tosika fameno avy aminy. Vaovao tsy marina izany ary melohina tanteraka. Efa am-perinasa ireo sampana ara-pitsarana manao famotorana hahafantarana ireo […]