Politika

Asa fanaovan-gazety : Natsangana ny komity hisolo ny OJM

Natsangana, omaly, ny komity vonjimaika hi­solo toerana ny Hola­fitry ny mpanao gazety (CTOJM), taorian’ny nahataperan’ny fe-potoam-piasan’ireo birao. Na­joro izany hialana amin’ny fahabangan-toerana. Miisa 18 ireo fikambanana mpanao gazety nivory nanapaka izany. Hiantoka ny hitohizan’ny asa ny CTOJM mandra-pahatongan’ny fifidianana. Tapitra rahateo ny fe-po­toam-piasan’ny  biraon’ny OJM. Nambaran’ireo nivory tamin’izany fa natsangana io […]

FANTINA sy FINTINA

Niravona ny disadisa teo amin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, sy ny depiote Tinoka Roberto. « Nisy tsy fifankahazoana teo aminay. Efa voavaha sy efa naravona izany. Nive­rina ny fifampitokisana sy ny fifanajana, ary miorina tsara indray ny fihavananay », hoy ny filohan’ity Andrim­panjakana ity. Nangataka ny handinihina indray ny didy nampidirana am-ponja […]

Kaominina Ambinanitelo: Mitohy ny fitokonana hanala ben’ny Tanàna

Mitokona efa ho roa volana izao ny vahoaka ao amin’ny kaominina Ambinanitelo, distrikan’i Maroantsetra, faritra Ambatosoa. Mitaky ny fametraham-pialana na fanoloana ho Filohan’ny delegasionina manokana (PDS) ny ben’ny tanàna Razafimahatratra Lau­rant, antsoina hoe Savôla, izy ireo. Famoahana rosia fita­kiana haban-tsena tsy manaraka ny fenitra, fitakiana haba amin’ny lakana kanefa tsy […]

Kly Randrianirina Michaël : « Avelao hiasa ny mpitondra »

Nitohy tany Toamasina ny fidinana ifotony nataon’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, omaly. Anisan’ny nambarany, tamin’izany, ny momba ny fitantanana ny firenena. «Avelao hiasa aloha ny mpitondra fa ho­tsaraintsika amin’ ny asany. Efa nisy asa maromaro vita tao anatin’ny roa volana fa mbola betsaka koa ny miandry », hoy izy. Ani­san’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Niantso ny mpiasan’ny Antenimierampirenena ny eo anivon’ny birao maharitra mba hanaja ny fitsipika sy ny fandaminana ny asa. «Aoka hifanaja sy hanaja ny tomponandraikitra», hoy ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Randrianasoloniaiko Siteny, tamin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao, omaly. Nambaran’ny lehiben’ny faritra Analamanga, Raharinirina Clemence, fa mety mbola maro ny nosamborina […]