Nahitsy ny depiote Razara Pierre Fidele, «Del kely», tao amin’ny fandaharany amin’ny radio fa tokony hafainganina ny fametrahana Tondrozotra avy amin’ny Malagasy. Notsindriny koa fa ho avy ny SADC sy ny soridalany raha mitavozavoza isika ka hataon’izy ireo dika mitovy amin’ny tondrozotra taona 2009. «Mila manana ny antsika manokana isika, […]
Politika
Fanavaozana eto amin’ny firenena : ” Tsy resy lahatra ny 57% eto Antananarivo” hoy ny CCOC
Nivoaka ny tatitry ny fanadihadian’ny vovonan’ny fiarahamonim-pirenena, CCOC. Nataon’izy ireo hampisainana ny mpitondra amin’izao fotoana izao izany. Nivoitra tamin’izany fa tsy matoky ny fitondrana ny 57% amin’ny vahoakan’ Antananarivo. Niainga amin’ny fanadihadiana ireo olona miisa 1 200 amin’ny sokajin-taona samihafa amin’ireo boriborintany enina, teo anelanelan’ny febroary hatramin’ny novambra teo izany. […]
Andrianainarivelo Hajo : « Hery ho amin’ny fanavaozana ny tanora »
Anisan’ireo nandray anjara fitenenana tamin’ny fihaonambe iraisam-pirenena « Conférence internationale » nokarakarain’ny « Internationale démocrate centriste IDC-CDI » aty Afrika ny filoha nasionalin’ ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany, tamin’izany, ny andraikitry ny tanora. « Tena ilaina amin’ny fanorenana demokrasia matanjaka sy maharitra izy ireo. Maro an’isa ny tanora ary loharanon-kery lehibe amin’ny fanavaozana, […]
FANTINA sy FINTINA
Nesorina tamin’ny toerany ny Kly Rakotomamonjy Patrick, tale misahana ny birao fandraisana fitarainana eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana. Notapahan’ny filankevitry ny minisitra ny fanalana azy amin’ ny toerany. Tsiahivina fa anisan’ny nahalalana azy ireo horonantsary maromaro nifanesy nitsikera ny fitondrana Rajoelina. Nivoaka amin’ny fahanginany ny mpanorina ny RDS, Andrianirina Fetison. […]
Fametrahana laharam-pahamehana: Havaozina ny fiaraha-miasa amin’i Frantsa
Fifanarahana hanomanana ny fananganana rafitra fiaraha-miasa vaovao mifanaraka amin’ny laharam-pahamehan’ny Fanavaozana. Io no anisan’ny nisongadina tamin’ ny fanambarana iombonan’ny minisitry ny Vondrona eoropeanina sy ny Raharaham-bahiny frantsay, i Jean-Noël Barrot, sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razana-mahasoa Christine, afakomaly, nampitain’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, omaly. Mankasitraka ny dingana voalohany amin’ny fanavaozana sy ny […]




