Politika

Fihaonana tamin’ny Sadc : Manangasanga ny tondrozotra amin’ny Tetezamita

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, kolonely Randrianirina Michaël, ny sekre­tera mpanatanteraky ny Sadc, i Elias M. Magosi. Voaresaka ny momba ny fitantanana ny Tetezamita. Nifanakalozan-kevitra teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, afakomaly, tamin’izany ny momba ny tetezamita eto Madagasikara, araka ny loharanom-baovao avy amin’ny sekretarian’ny Sadc. Ao anatin’izany ny […]

Filohan’ny Antenimierampirenena: “Aoka hohajaina ny fanapahan-kevitry ny fitsarana”

“Ny hita amin’izao, lasa tsy mahay indray ny fitsarana? Fa nahay izy teo aloha… Rehefa amin’ny andro inona dia marina ny fanapahan-kevitry ny fitsarana? Misy resaka politika ao anatiny. Aoka kosa hohajaina ny fanapahan-kevitry ny fitsarana”. Izay ny nambaran’ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, Randrianasoloniai­ko Siteny, teny Tsimbazaza, omaly, ny amin’ny fanalana ireo […]

FANTINA sy FINTINA

Mampanahy sy mampatahotra ny fiainam-pirenena sy ny hoavin’ny fanaovana politika eto Madagasikara, raha ny zava-miseho. Io ny nambaran’ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafiton’ny Antenimierampirenena, ny depiote Milavonjy Philobert, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny “Raharaha depiote Sahondrarimalala Marie Michelle”. Mampieritreritra raha toy izao ny fomba andraisana sy iampangana ny olona […]

Ambasadaoro Claire Pierangelo : “Hijery ny tombontsoan’i Madagasikara mandrakariva i Etazonia”

Tonga nanao veloma ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ny ambasadaoron’i Etazonia niasa sy nonina teto Madagasikara, i Claire A. Pierangelo. Tsy nisy nipika ny resaky ny roa tonta. Na izany aza, nambarany tamin’ny mpanao gazety fa: “mbola hijanona ho […]