Mazava ny zotra ho an’ny vovonana Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina na ny Irmar. Vonona ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo. Ho mpandray anjara feno ny Irmar. Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Irmar. Nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, misolo tena ny mpanohitra, […]
Politika
Fiaraha-miasa : Hamaha ny olan’ny herinaratra ny Japoney
Nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Razanamahasoa Christine, fa zava-dehibe ny lanonana fanaovan-tsonia fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana japoney, omaly, teo anivon’ny minisitera. Miompana amin’ny famatsiam-bola 68 miliara Ar izany. « Mitondra vahaolana amin’ny ampahany ny olana nitarainan’ny vahoaka izany. Anisan’izany ny olan’ny herinaratra ka anisan’ny hisitraka izany ny ao Toamasina », hoy izy. […]
FANTINA sy FINTINA
Voatendry ho lehiben’ny faritra vonjimaika ao Fitovinany Razafitsiandraofa Jean Brunelle. Anisan’ny tapaky ny filankevitry ny minisitra afakomaly, teny Iavoloha, izany. Efa depiote teo aloha voafidy tany Ikongo ny tenany. Efa minisitry ny Fizahantany koa ny taona 2018. Efa kandidà tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, ny taona 2023. Notsipahin’ny HCC ny fangatahan’ny filoha […]
Eveka tao Vatikana ; Maniry ny hitsidihan’ny papa eto amintsika
Any Vatikana, efa andro maromaro izao, ny biraon’ny Fivondronamben’ny evekan’i Madagasikara (Fem). Mitarika azy ireo ny filohany, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien. Noraisin’ny papa Leon XIV tao amin’ny biraony izy ireo ka anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fanirian’ireo eveka ny hahatongavan’ny papa Ray Masina eto Madagasikara. « Nasaina izy hitsidika antsika. Mbola ho […]
Kolonely Randrianirina Michaël : “Ahazoana mampihena ny fahantrana ny tontolo iainana”
Mitohy ny fakan-kevitra isan-tsehatra ho amin’ny fikaonandoham-pirenena. Ho an’ny sehatry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy, azo ampihenana ny fahantrana… “Ahoana no hamadihana ny fanambarana ho lasa asa, ahoana no hanovana ny teny ho lasa vokatra azo tsapain-tanana? Sehatra iray ahazoana mampihena tsara ny fahantrana ny tontolo iainana amin’ny […]





