”Manantena ny FFKM ny vahoaka malagasy”, hoy ny hafatry ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny famindram-pitantanana teo anivon’ny FFKM teny amin’ny katedraly Andohalo, afakomaly. Mba ho olona tena tia tanindrazana no hikarakara ny fikaonandoham-pirenena, ary tsy hisafidy lalana hafa dieny mialoha. Hevitry ny Malagasy rehetra no angonina ao […]
Politika
Justice et Paix : “Aoka tsy ho diso ady atrehina isika”
“Amin’izao fotoana, ny feo heno avy amin’ny lafivalon’i Madagasikara: toa manomboka mihena ny hafanam-po sy ny fanantenana niredareda tany am-boalohany”. Io ny fanambaran’ny Justice et Paix, voaray omaly, taorian’ny fihaonamben’ny eveka momba ny fandriampahalemana sy ny fiadanana eto Madagasikara, ny 16-18 janoary. Mitombo tsikelikely ny ahiahy noho ny zava-mitranga, toy […]
Sahondrarimalala Marie Michelle : Nampidirina vonjimaika am-ponja eny Avaradrano
Anisan’ny raharaha politika be mpanaraka, amin’izao fotoana izao, ny mahakasika ny minisitry ny Fanabeazana teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michelle. Manameloka ny fitazomana azy ho tsy ara-dalàna ny mpanohitra. Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana tapony, omaly alina, ny solombavambahoaka voafidy tany Fianarantsoa I, sady minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, Sahondrarimalala Marie […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy anisan’ireo antoko politika 103 nanao sonia fifanarahana ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim), hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Ambatondrazaka sady filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Fidèle Razara Pierre, nandritra ny hetsiky ny Tim tany Toamasina, ny sabotsy lasa teo. Nambarany fa tsy nanao izany sonia izany izy ireo satria mijoro […]
Toamasina : Namondrona ankolafin-kery politika ny antoko TIM
Niavaka raha izay no azo ilazana ny fifampiarahabana noho ny asaramanitra, nahatratra ny taona vaovao 2026, teo anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara. Notarihin’ny filoha mpanorina azy, Ravalomanana Marc, filoha teo aloha sy ireo pikambana marobe ny asabotsy 17 janoary teo izany, tetsy amin’ny Magro Tanambao fahadimy. Nisongadina noho ny fahitana […]




