Nifampizara ireo asa sy dingana vita nandritra ny efa-bolana niasan’ny minisiteram-panjakana misahana ny Fanavaozana ny minisitra Razafimanantsoa Hanitra. Nambarany tamin’ny fananganan-tsaina, omaly, fa hanomboka ny fikaonandoha andrana amin’ny faritra telo. Miara-miasa amin’ireo sehatra hafa mikarakara fikaonandoha koa ny minisitera. Handray andraikitra ny fanjakana ary hisy ny fepetra horaisina manoloana ny […]
Politika
Ady any Moyen-Orient : Miantso fifampiresahana ny fanjakana malagasy
“Araka ny antso nataon’ny Vondrona afrikanina, ny governemanta malagasy dia manamafy fa ny fifampiresahana sy ny diplaomasia ary ny fanajana ny fenitra iraisam-pirenena ihany no lalana hahazoana mampitony ny disadisa sy mitandro ny fandriampahalemana ao amin’ny faritra”. Io ny fanambaran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, ny fiandohan’ny herinandro teo, manoloana ny ady any […]
Kolonely Randrianirina Michaël : “Miomana amin’ny fikaonandoham-pirenena ny Polisy”
Nosokafana omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny fikaonadoham-pirenen’ny polisim-pirenena. Nitarika izany ny filohan’ ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël. “Efa tafiditra amin’ny lalana sy dingana arahina mankany amin’ny fikaonandoham-pirenena izao”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël. Nivoitra izany tamin’ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety teny amin’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Tokony hohafainganina ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, raha ny fanambaran’ny Komity miaro ny tolona (KMT), notarihin’ny mpandrindra nasionaly, Rakotomavo Lanto, teny Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo. Eo koa ny fanalana an’ireo mpiray petsapetsa tamin’ny fitondrana teo aloha any amin’ny sampandraharaham-panjakana, sakana amin’ny fanavaozana. Manohana ny fitondrana ny KMT, mahita ny dingana […]
Fanehoan-kevitra: Mitaky ny hiverenan’ny fahefana amin’ny vahoaka ny RDS
Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny antoko Roso ho an’ny demokrasia sosialy (RDS). Nambaran’ny filoha nasionaliny, Rakoto Andrianirina Fetison, fa hijoro ho hery mitaky fahamarinan-toerana sy fahamarinana izy ireo. Tsy hanaiky handrava, tsy hanaiky hanarona. « Hanangana amin’ny fahendrena sy amin’ny fitsipika mazava ary tsy maintsy miverina amin’ ny […]





