Nanolotra ny taratasy tamin’ny iraky ny Vondrona afrikanina (UA) sy ny Sadc mamaritra ny Tondrozotra hitantanana ny firenena ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, ny faran’ny herinandro teo, teny Iavoloha. Nitondrany fanazavana, tamin’izany, ny momba ny sori-dalana. Nambarany fa ao anatin’izany ny tatitry ny dingana sy ny asa vita amin’izao fanavaozana izao. […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Firenena efa niara-niasa hatramin’izay i Madagasikara sy i Frantsa, araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fahatongavany teny Ivato, afakomaly alina. Efa manana tantara iraisana koa hatramin’izay… Mitohy ny fiaraha-miasa. Nangatahin’ny Malagasy hatramin’izay ny fanavaozana ny fiaraha-miasa mba hahazoan’ny Malagasy tombony. Manohana sy mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny […]
Randrianirina Jean-Ignace : “Tsy mitovy tamin’ny 2009 ny tondrozotra amin’ity”
“Tamin’ny 2009, nazava hoe fizarana seza ny tondrozotra. Nisy ankolafy nampihavanina. Eo izany ny fandaminana ny fitantanana ny fitondrana amin’ity, tsy misy hampihavanina”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha mpiara-mitantana ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, manoloana ny resabe etsy sy eroa ny amin’ny hoe fisiana tondrozotra amin’izao fitondrana izao. Ny tondrozotra […]
Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy tondrozotra fa tatitra no hatolotra ny Sadc”
Andrasana anio ny fanolorana an’ny Sadc ny tondrozotran’ny fitondrana. Nanazava ny filohan’ny Fanavaozana fa tsy tondrozotra no hatolotra fa tatitry ny dingana vita tao anatin’ny efa-bolana sy izay hatao aorian’ny fihaonana… “Ny tsara marihina sy apetraka manomboka izao, tsy tondrozotra araka ny eritreretin’ny sasany”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Fanavaozana ny […]
FANTINA sy FINTINA
Tonga nanao veloma ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo, omaly, i Alice Nzomukunda, solontenan’ny Vondrona Afrikanina teto Madagasikara nandritra ny roa taona. Nankasitraka ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanodinkodinam-bola ary amin’ny fanamafisana ny fitantanana mangarahara ity solontenan’ny Vondrona afrikanina ity, tamin’izany. Afaka misitraka ny […]





