Politika

Randrianirina Jean-Ignace : “Tsy mitovy tamin’ny 2009 ny tondrozotra amin’ity”

“Tamin’ny 2009, nazava hoe fizarana seza ny tondrozotra. Nisy ankolafy nampihavanina. Eo izany ny fanda­minana ny fitantanana ny fitondrana amin’ity, tsy misy hampihavanina”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha mpiara-mitantana ny antoko MFM, Randrianirina Jean-Ignace, manoloana ny resabe etsy sy eroa ny amin’ny hoe fisiana tondrozotra amin’izao fitondrana izao. Ny tondrozotra […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy tondrozotra fa tatitra no hatolotra ny Sadc”

Andrasana anio ny fanolorana an’ny Sadc ny tondrozotran’ny fitondrana. Nanazava ny filohan’ny Fanavaozana fa tsy tondrozotra no hatolotra fa tatitry ny dingana vita tao anatin’ny efa-bolana sy izay hatao aorian’ny fihaonana… “Ny tsara marihina sy apetraka manomboka izao, tsy tondrozotra araka ny eritreretin’ny sasany”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Fanavaozana ny […]

FANTINA sy FINTINA

Tonga nanao veloma ny praiminisitra, Rajao­narivelo Herintsalama, teny Mahazoarivo, omaly, i Alice Nzomukunda, solontenan’ny Vondrona Afrika­nina teto Madagasikara nandritra ny roa taona. Nan­kasitraka ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ ny ady amin’ny kolikoly sy ny fanodinkodinam-bola ary amin’ny fanamafisana ny fitantanana mangarahara ity solontenan’ny Vondrona afrikanina ity, tamin’izany. Afaka misitraka ny […]

Fanadinana mpianatra ho mpitsara : Manahy fisiana endrika kolikoly ny KMMGB

Namoaka fanambarana ny Komity manokana miady amin’ ny gaboraraka (KMMGB), omaly, ny amin’ny fisiana kolikoly amin’ny valim-panadinana fidirana mpinatra ho mpitsara ao amin’ny Sekolim-pirenena mpianatra ho mpitsara sy mpirakidraharaha (ENMG) tamin’ ny 17 sy 18 ary 20 febroary lasa teo. Ahitana ireo ray aman-dre­nin’ny mpiadina sy ireo mpiadina manerana an’i […]

Harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna : Maromaro ireo olon’ny fitondrana teo aloha enjehina

Namoaka ny tatitra momba ireo fananana sy harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny eo anivon’ny sampandraharaha misahana izany (Arai), omaly. Anisan’ny tsy afa-bela amin’izany ireo olon’ny fitondrana teo aloha. Manodidina ny 200 mi­liara Ariary mahery ny vola nogiazan’ny sampandrandraha misahana ny famerenena amin’ny fanja­kana ireo harena azo tamin’ny tsy […]