Politika

Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Tokony ho ao anatin’ny BNGRC ny fiangonana”

Hampirisihina ny fampidirana ofisialy ireo tomponandraiki-pivavahana ho anisan’ny mpiantsehatra ao amin’ny Ivontoeram-pandrindran’ny BNGRC ao Toamasina. Nisongadina izany ta­min’ ny fihaonan’ny arsevekan’ny diosezin’i Toa­ma­sina, ny kardinaly Tsa­ra­hazana Désiré, taorian’ny fi­haonany tamin’ny Praimi­ni­sitra Rajaonarivelo Herintsa­lama, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, afakomaly, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. Mba hanatevenana ny fiaraha-mi­asa amin’ny fanarenana ny […]

FANTINA sy FINTINA

Efa any Frantsa ny depiote Andriamananoro Augustin. Niala teto Madagasikara, ny alahady teo, nandeha sambo nihazo an’i Mayotte ary efa tonga any Paris izy. Manana zom-pirenena frantsay ny tenany ka mora ny nidirany tany an-toerana, araka ny nambaran’ny fahitalavitra Mayotte 1ère. Tsiahivina fa anisan’ny nosavaina koa ny tranon’ity depiote Irmar […]

Vovonana Diovy i Madagasikara : « Tokony ho pejy vaovao ny fiarahana amin’i Frantsa »

Nanao fanambarana ny eo anivon’ny vovonana Diovy i Madagasikara, Antsakaviro. Anisan’ny navoitran’izy ireo, tamin’izany, ny fifandraisana amin’i Frantsa. « Tsy mankahala azy ireo velively isika fa mila diovina ny fifandraisantsika amin’io firenena io. Irinay ny hisokafan’ny pejy vaovao amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta », hoy izy ireo, tetsy Antsakaviro, omaly. Nan­terin’ity vovonana […]

Minisitra Razafimanantsoa Hanitra: “Tsy natao hizarana toerana ny tondrozotra”

Nitondra fanazavana ny momba ny tondrozotra ho an’ny fanavaozana ny minisi-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana, Me Razafimanantsoa Hanitra. Nambarany fa tsy mitovy amin’ny sori-dalana ny taona 2009 izany. “Nisy ny fifampiresahana sy ny fifanajana. Tsy nisy ny resa­ka hoe tsy maintsy manao an’izao na izao”. Io […]

FANTINA sy FINTINA

Nandiso ny vaovao miely ny fikambanana FOMF, tarihin-dRazaivola Raissa. Mbola voatazona ao amin’ny toby Ratsimandrava ity mpitarika azy ireo ity, hadihadiana momba ny fitsoahany ny fonja sy ny fisandohana andraikitra. Mbola hatolotra ny fampanoavana avy eo. « Tsy mitombina noho ny filazana fa no­samborina na tsy any am-ponja izy », hoy izy ireo. […]