Nesorina tsy ho loholon’i Madagasikara ny Jly Ravalomanana Richard sy Rakotondrazafy Lalatiana, araka ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), afakomaly. Raha ny And. 8 amin’ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimerandoholona: miala avy hatrany izay tsy manatrika ny fivoriana, ka tsy mametraka fanazavana na taratasy fialan-tsiny ny antony rehefa […]
Politika
Hafatry ny fivondronamben’ny Eveka : « Aoka isika hahay haka lesona amin’ny tantara »
Nampita hafatra tahaka ny fanaony, isan-taona amin’ny fetin’ny Noely sy ny taona vaovao tahaka izao, ny eo anivon’ ny fivondronamben’ny Eveka (Fem). Nambaran’ny filohan’ny Fem, ny evekan’i Morondava, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien, fa ao anatin’ny krizy amin’ny toekarena sy sosialy, politika ary tontolo iainana isika izao. Nanteriny fa anisan’ny nahatonga […]
Filankevitry ny minisitra: miisa 139 ireo fanendrena mpiasam-panjakana ambony
Anisan’ny voatendry tamin’izany filankevitry ny minisitra izany, i Rolly Mercia, hisahana ny talen’ny serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Mpanao gazety ary efa minisitry ny Serasera teo aloha sady vao nivoaka ny fonja, farany teo. Talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, ny mpanao gazety, Onitiana Realy. Efa minisitry ny Mponina, fony […]
Fifanjevoana teny amin’ny HCC: vita fianianana ihany ny mpikambana vaovao
Tafapetraka tamin’ny toerany ihany, halina, ny mpikambana vaovao ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Taorian’ny savorovoro, niafara tamin’ny fiakarana teny Iavoloha, niravona ny olana. Nahavita ny fiainianany ireo mpikambana vaovao miisa telo eo anivon’ny HCC. Niainga tamin’ny fanendren’ny filoham-panjakana izany. Anisan’izany Tianjanahary Andriamalaza sy Rasolofonjatovo Norovola Haritiana ary Andriamampandry […]
Antoko PSD: « Tsy azo ekena intsony ny zara vilana… »
Nitondra ny heviny ary hanolotra Lalàmpanorenana hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena ny avy amin’ny antoko PSD, tarihin’i Eliana Bezaza. Nambarany tetsy Mandroseza, omaly, fa tonga amin’ny kihon-dalan’ny tantara isika, taorian’ny faharavan’ny fitondrana teo aloha, vokatry ny fitakian’ny tanora miandrandra fiainana tsaratsara kokoa. Manoloana izany, nilaza ho mahatsiaro manana adidy ny PSD hitondra […]




