Politika

Antenimierampirenena : “Aoka ny governemanta hanatsara ny sosialim-bahoaka”

“Miantso ny governemanta izahay hanohy ny ezaka ho fanatsarana ny sosialim-bahoaka sy hanamafy ny ady amin’ny kolikoly izay napetraka ho laharam-pahamehana”. Io no namaranan’ny filoha Randrianasoloniaiko Siteny, ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampire­nena, teny Tsimbazaza, oma­ly. Nantsoiny ny hery velona rehetra handray anjara amin’ny dinika nasionaly hahazoana mametraka miaraka ny lalàmpanorenana […]

Filoha, ny Kly Randrianirina Michaël: « Ilaina ny faharetantsika sy ny fahatokisana »

Nitohy omaly ny fitsidihan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny any atsimon’ny Nosy. Nitondra fanazavana momba ny fiainam-pirenena ny tenany. “Firenena efa potika an-taonany maro no harenina. Tsy ho vitantsika ao anatin’ny andro vitsy anefa izany fa ilaina ny faharetana sy ny fahatokisana anay, ahavitantsika manarina ity firenentsika ity», hoy […]

FANTINA sy FINTINA

Voatendry ho mpanolotsaina teknikan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Rakotoarisoa Faniry Alban na i Bàbà. Nambarany fa tena mbola tsy madio ny ranon’Ikopa, mbola laoranjy. Mitohy ny fanadiovana. « Tsy vita indray andro fa mila firaisankina sy fifanomezan-tanana ary avela hiasa malalaka sy hain­gana ny governemanta », hoy izy. Namaly ny feo miely […]

Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : ”Tsy azo ravana ny andrimpanjakana mijoro”

“Raha tiana handroso i Madagasikara, aleo mifanome tanana sy miara-mientana”, hoy ny Praiminisitra Rajaona­rivelo Herintsalama tamin’ny mpanao gazety teny Tsimba­zaza, omaly, tamin’ny famaranana ny fifanatrehan’ny Ante­nimierampirenena sy ny gover­nemanta. Ekena ny hoe hotsa­rain’ny depiote ny asa vitan’ny governemanta, fa tomponandraikitra avokoa ny rehetra na mpanatanteraka na ny mpanao fanaraha-maso. Tsy […]

Fanapahan’ireo filoham-panjakana : Ho avy amin’ny fanelanelanana indray ny Sadc

Nandray anjara tamin’ny fihaonana an-tampony, nataon’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, afakomaly. Natao tamin’ny alalan’ny ampitain-davitra izany ka niresahana ny momba an’i Madagasikara. Nankasitrahan’ireo mpivory ny fiverenan’ny fitoniana eto amintsika, sy ny fanombohan’ny governemanta ny fikaonandoham-pirenena. Vonona ho mpanara-maso sy mpanohana ny dingana rehetra ho […]