Politika

Notendren’ny HCC : Filoham-panjakana ny Kly Randrianirina Michael

Hisahana ny asan’ny filoham-panjakana, manomboka eto ny Kly Randrianirina Michael. Namoaka fanapahan-kevitra fankatoavana izany ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), omaly, manoloana ny raharaham-pirenena. Niainga avy amin’ny fangataham-panazavana nataon’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, omaly, ny amin’ny fahabangan-toeran’ny filohan’ny Re­poblika izany. Eo koa ny tsy fisian’ny […]

FMMM : Manameloka ny jadona sy ny herisetra

Manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, mijoro ny firaisan’ny mpandinika miozolomanina eto Madagasikara (FMMM) ka namoaka fanambarana. Voalazan’izy ireo fa rehefa ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny ary ny tsindrihazolena no mahazo vahana eo amin’ny fiarahamonina na firenena dia tsy maintsy miafara amin’ny korontana izany. Lalàna voajanahary tsy azo ihodivirana izany, […]

Tsy fanomezana fahazoan-dalana : Niala tsiny sy nifona ampahibemaso ny prefet Antananarivo

“Mitondra ny fialantsiny sy ny fifonana ampahibemaso raha toa ka misy ny fanapahan-kevitra noraisina ka tsy mifanaraka tamin’ny eritreritry ny besinimaro”. Io ny nambaran’ny prefet Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, tao amin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, omaly, ny amin’ny tsy nanomezany fa­hazoan-dalana hanao hetsika teny Ambahijatovo, tamin’ny 25 septambra, […]

FANTINA sy FINTINA

Havoaka ny fonja ireo gadra politika, araka ny didy noraisin’ny filoha Rajoelina Andry. Eo ny mpandraharaha, Rajaonah Mbola. Ireo mpanao gazety, Lôla Rasoamaharo sy i Fernand Cello. Ny depiote, Sylvestre Mahavitara sy ny ben’ny Tanànan’Antsiranana, Djavo­jo­zara Jean Luc. Andrianandrianina Voahangy. Nofoa­nana ny sazy tamin’ny Raharaha Apollo 21: Philippe Marc François […]

Fanambaran’ny iraisam-pirenena: Mitaky fifampiresahana ny Saf-CNGO/Sadc

Nanao fanambarana ny eo anivon’ny Southern African Council of Non-Governmental Organisations « Saf-CNGO-Sadc ». Niantso ny Vondrona afrikanina (UA) sy ny Sadc izy ireo eo anatrehan’ny fahasarotana ara-politika mitombo sy ny tsy fahatokisana amin’ny fitondrana, ary amin’ny maha filohan’ny Sadc an’i Madaga­sikara, amin’izao fotoana izao. Hanomboka haingana ny fampihavanana sy ny fifampiresahana, […]