Politika

Rakotoamboa Jean-Louis : “Tokony ho telo na efatra ny antoko politika eto Madagasikara”

“Ny olana eto amin’ny firenena: be loatra ny antoko politika. Misy 300 latsaka kely izany. Te hanao zavatra ho an’ny firenena avokoa izy ireo. Saingy tsy mirindra ary tsy voalamin’ny Malagasy ny fanaovana politika eto Madagasikara”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Teza, Rakotoamboa Jean-Louis, ny amin’ny tontolo politika […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy natao hamafazana lainga na handikan-dalàna ny fahafahana miteny eto amin’ny firenena, amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny filohan’ ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny. « Manome fahalalahana ny rehetra hiteny izao fitondrana mijoro izao, saingy tsy tokony hararaotina izany », hoy izy. Tsy manakana ny fananganana vondrona parlemantera vaovao ny HCC, araka ny […]

Depiote Rakotoniaina Pety: “Tokony hoenjehina izay nanao hadalana”

“Tena mpanao politika aho, ny hevitro: amin’ny firenena iray rehefa manomboka ma­nao fanadiovana: tokony ho­enje­hina izay olona nanao ha­dalana rehetra, na tamin’ny fi­tondran’iza na iza”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikala­ma­vony, Matsiatra Am­bony, Rakotoniaina Pety, anisan’ny mpikamban’ny vaomiera eo anivon’ny Antenimieram­pirenena fandinihana ny antontan-taratasy fanenjehana eny […]

Praiministra Rajaonarivelo Herintsalama: «Samy hotsarain’ny vahoaka na izahay na ny depiote»

Namarana ny fifanatrehana teo amin’ny governemanta sy ny solombavambahoaka, rehefa naharitra roa andro, ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, teny Tsimbazaza. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany. Nambarany fa voarain’ny governemanta avokoa ny hetahetan’ireo de­piote. Niantso fifanomezan-tanana koa anefa ny tenany. « Samy hotsarain’ny vahoaka isika sy ianareo nisolovava azy », hoy izy. Nambarany fa […]

FANTINA sy FINTINA

Nandeha mangingina noho ny fiarovana ny ainy, ahina hisy hifofo, ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, araka ny nambarany, afakomaly. « Efa fanaon’ ireo filoham-panjakana any Etazonia na Frantsa izany », hoy izy. Nambarany koa fa natao hanasoa­vana sy hahatsara ny firenena ny diany tany Dubaï. Ani­san’ izany ny handefasana tanora miisa […]