Politika

Minisitra Andriantsitohaina Naina : “Laharam-pahamehana ny ady amin’ny “Mafia”

Nandray ny avy amin’ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-IM) ny minisitra Andriantsitohaina Naina, ny fiandohan’ny herinandro teo, tetsy Anosy. Voa­resaka ny ho fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Nambaran’ ny minisitra fa hohamafisina ny lalàna efa misy ary hohenjanina ny sazy ho an’ireo tsy manara-dalàna sy mpangalatra tany. “Tena laharam-pahamehana […]

Ceni : “Ho tonga ara-potoana eny amin’ny distrika ny biletà tokana”

Tonga teny Ivato, afakomaly, ny biletà tokana natonta tatsy Afrika Atsimo. Nitsena zany teny an-toerana ny filohan’ny Ceni sy ny mpiara-dia aminy. “Tonga tokoa ny takelaka saro-pady, ahitana ny fitanana an-tsoratra, ny fanisam-bato, ny biletà tokana, ny valopy tsy azo sokaf­ana”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, tamin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

“Hevitry ny maro sy ara-dalàna ary ara-drariny no tenenina eto amin’ity lapa ity”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tamin’ny fanombohana ny fotoam-pivoriana tetsy Anosikely, omaly. Nanteriny fa tsy hevitry ny tena manokana sy ny olona vitsivitsy mitovy hevitra amin’ny tena no aseho eny. Tapaky ny fivoriamben’ireo depiote […]

“Annuel Investment Meeting”: misarika ireo mpamatsy vola ny filoha Rajoelina Andry

Mitohy hatrany ny fanatsarana ny fifandraisana sy fitadiavana fiaraha-miasa vaovao, eo amin’ny firenena malagasy sy ny avy any ivelany. Maro ny fihaonana amina tomponandraiki-panjakana, ataon’ny filoham-pirenena Malagasy, amin’izao fihaonana iraisam-pirenena izao. Nisokatra omaly, ao Abu Dhabi, ny “Annuel In­vestment Meeting” (AIM) andiany faha-13. Vahiny manokan’ny filohan’ny Emi­rats Arabes-Unis, Mohamed bin […]