Sarotra be ny hitsara ny nahavita fa tomba-maso no hatao, satria tsy voafaritra mialoha ny asa, araka ny fanehoan-kevitry ny tonia mpanatanteraky ny Rohy, Andriamoraniaina Harijaona, momba ny hanaovana tomban’ezaka ny minisitra izay nomena fe-potoana roa volana. « Tsy fantatra mazava ny notakina tamin’izy ireo nandritra ny roa volana », hoy izy. […]
Politika
Depiote Rajerison Antoine : “Somary hafahafa ihany ny fanalana depiote”
“Somary hafahafa ihany ny fanalana depiote”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny Fivoi, tany Arivonimamo, Rajerison Antoine, omaly, manoloana ny fanalana ireo depiote dimy eny anivon’ny Antenimierampirenena. Tsy fahatongavana na indray mandeha aza mandritra ny fivoriana ara-potoana ny anton’ny fanalana, araka ny fitsipika anatiny. Nefa misy depiote maro […]
PM Rajaonarivelo Herintsalama : “Tsy vitan’ny fanjakana irery ny fampandrosoana”
Manampy sy manohana ny fiangonana amin’ny fidirana amin’ny fampamokarana ny fanjakana. Tsy vitan’ny fanjakana irery ny fampandrosoana, araka ny nambaran’ny praiminisitra. “Tsy vitan’ny fanjakana irery ny fampandrosoana. Mila firaisankina sy fifampitokisana ary fifamenoana eo amin’ny fanjakana sy ny fiangonana ary ny vahoaka izany”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, omaly, tamin’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Ho vita hatreo ireo mpiasam-panjakana matoatoa. Manomboka anio ny fanisana ireo mpiasa eo anivon’ny minisitera rehetra sy ireo Andrimpanjakana, miaraka amin’ireo rantsa-mangaika ao aminy ary hatrany amin’ny faritra. Tanjona ny hahafantarana ny tena isan’izy ireo marina, araka ny naoty navoakan’ny minisiteran’ny Asa, omaly. Miroso ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Nambaran’ny minisi-panjakana, […]
Firosoana amin’ny fanavaozana : Hamaritra ny tohin’ny fikaonandoha ny FFKM
Hotanterahina ny alahady izao, etsy amin’ny Ekar Andohalo, ny herinandro fiaraha-mivavaka, hotarihin’ny FFKM. Hatao amin’izany koa ny famindram-pitantanana sy ny fampitana hafatra ho an’ny kristianina sy ny vahoaka, indrindra ny momba ny raharaham-pirenena. Hampahafantarin’ireo filoham-piangonana amin’io fotoana io ny ho tohin’ny fikaonandoham-pirenena, taorian’ ny nanokafana izany teny Ivato, ny 10 […]





