Politika

Fan(a)ovana… politika

  Hisy fiovana sy fanovana amin’izay ny fomba fanaovana politika amin’izao? Na misy hanitsiana ny dia amin’izay atao ny korontana politika miverimberina… Mandra-pahoviana? Ny tsy mijery lalana na izay ametrahany ny tongony, hono, no indroa latsaka amin’ny lavaka nianjerany. Efa nisy tomponandraiki-panjakana ambony teo aloha namaky bantsilana fa ny mpanao […]

Vondrona orinasa Sodiat : « Avelao izahay mpiasa hiasa malalaka sy milamina »

Nanao fihetsiketsehana tao amin’ny tokotanin’ny orinasa, eny Talatamaty, ireo solontenan’ny mpiasa 4 000 eo anivon’ny vondrona orinasa Sodiat, ny asabotsy teo. Maromaro ireo fitakiana sy fangatahan’izy ireo amin’ny fanjakana. Velon-taraina sy manomboka miahiahy tanteraka ka nanatanteraka fi­he­tsiketsehana, nitondra sorabaventy ary naneho ny olany sy ny fangatahany ireto mpiasa marobe ireto. « Mangataka […]

FANTINA sy FINTINA

Hanohana ny fanavaozana entin’ny fitondram-panjakana ny Groupe M24. Hanolotra ny “UTV Ch54” sy ny radio “FM 87.8» ary ny «FM 93.6» izy ireo ka hiova anarana ho LCR TV, LCR radio1, LCR radio2” izany izao. Tafiditra amin’ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Groupe M24 sy ny fiadidiana ny Fanavao­zana ny Repoblikan’i […]

Minisiteran’ny Atitany : Misokatra ny firotsahan-kotendrena ho lehiben’ny Faritra

Misokatra ho an’ny rehetra ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kotendrena ho lehiban’ny Faritra, araka ny an­tson’ny eo anivon’ny mi­ni­site­ran’ny Atitany sy ny fi­tsin­jaram-pahefana, voaray omaly. Ao anatin’ny dingana vaovao ho fa­narenana sy fa­navaozana ny Repoblika izany, araka ny adi­dy aman’andraikitra iantsorohan’ny minisiteran’ny Atitany. Nametraka fomba fiasa vaovao manaraka ny dingana mazava sy […]

Tomponandraikitra nesorina : Hohenjehina ireo mbola mampiasa fitaovam-panjakana

Hentitra ny fitondram-panjakana. Handraisana fepetra ireo tomponandraikitra efa nesorina amin’ny toerany nefa mbola mampiasa fitaovam-panjakana. Nambaran’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Fa­na­vao­za­na ny Repoblika fa nisy tamin’ireo tomponandraikitra teo anivon’ny Fiadi­diana ny Re­poblika teo alo­ha, efa nesorina tamin’ny toerany tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 29 oktobra sy ny 5 no­vambra teo, […]