Faranana ny lalàmpanorenan’ny Repoblika IV, hatsahatra ny andrimpanjakana rehetra, ary hatsangana ny governemantan’ny fiaraha-mitantana… Ireo no anisan’ny fehinkevitry ny fikaonandohan’ny mpanao politika teny Ankorondrano, tamin’ny 12-15 desambra lasa teo, izay nokarakarain’ny Komity fanavaozana ifotony an’i Madagasikara (KFI M). Nataon’ireo antoko politika miisa 100 eo ho eo teny amin’ ny efitrano […]
Politika
Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama : “Miroso mamaha ny hetahetam-bahoaka ny fitondrana”
Nihaona tamin’ireo solontenam-panjakana avy amin’ny fileovana manerana an’i Madagasikara teny Mahazoarivo ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, omaly. Nambarany fa mamaha ny hetahetam-bahoaka ny fitondrana. Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Miroso amin’ ny famahana ny hetahetan’ny vahoaka ny fitondram-panjakana”. Io no anisan’ny hafatry ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, tamin’ny fihaonana […]
FANTINA sy FINTINA
Tokony ho eo anivon’ny ankohonany, aorian’ ny fanadihadiana natao aminy ny depiote sady minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, i Sahondrarimalala Marie Michelle. Io ny nambaran’ny depiote voafidy tamin’ ny anaran’ny Irmar tany Vohibato, Faritra Matsiatra Ambony, Razafinjato Aurélie Marie Augustine, mangataka ny famoahana azy izay mbola voatana hatramin’ izao. Tsy […]
Governora Faritra Anamalanga teo aloha : Namoaka didy fampisamborana ny fitsarana
Namoaka didy fampisamborana iraisam-pirenena ho an’ny governoran’ny Faritra Analamanga teo aloha, Rasoamaromaka Hery, ny fitsarana. Antony ny fametrahan’ny tomponandraikitry ny orinasa misahana ny fanamboarana ny trano Lac Village Ivato fitoriana. Voalaza fa ny tomponandraikitry ny Faritra Analamanga no sakana amin’ny fandoavam-bola. Ny orinasa Building Mora Lac Village Ivato no nahazo […]
Mpifindra monina avy any Etazonia: Anisan’ny firenena noresahin’ny Amerikanina i Madagasikara
Tafiditra amin’ny firenena anaovan’ny Amerikanina fifampiraharahana amin’ny fandefasana mpifindra monina tsy ara-dalàna i Madagasikara. ”Tsy mbola nanome valin-teny mahakasika izany aho”, hoy ny kolonely Randrianirina Michael. Nohamafisin’ny filohan’ ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, fa nisy tokoa ny iraka avy any Etazonia, niresaka momba ny […]





