Tokony hitandrina ny fitondram-panjakana ankehitriny manoloana ireo tsindry samihafa ataon’ ireo firenen-dehibe, araka ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika, Paraina Auguste. « Tsy tongatonga ho azy ny niresahan’i Emmanuel Macron nandritra ny fivahinianany tatsy amin’ny Nosy Maurice ny toe-javamisy eto Madagasikara », hoy izy. Tsy mila PDS ny vahoakan’ny kaominina ambanivohitra Marovoay. […]
Politika
Depiote Rakotoniaina Pety : “Aoka tsy ho sarintsarina fanovana no hatao”
“Aoka tsy ho sarintsarin’ny fanovana no hatao, fa alefa any amin’ny Faritany sy ny Faritra ny fahefana”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Matsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety, manoloana ny ataon’ny mpanao politika sasany efa misy manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana. Ny mpanao politika sasany, manao kajy […]
Me Randriamiaramisaina Mirantsoa : « Fonjaina tsy ara-drariny i Rinah Rakotomanga »
Tonga teny amin’ny fitsarana Anosy ny mpisolovava, ny Me Randriamiaramisaina Mirantsoa, omaly. Nitondra fanazavana momba ny olona arovany, i Rinah Rakotomanga, izy. «Tsy mitombina aloha hatreto ny fiampangana ny amin’ny filazana fa nanao fanodinkodinam-bolam-panjakana i Rinah Rakotomanga. Miezaka izahay ny mitondra fanazavana sy ny porofo ny tsy mampitombina izany. Voafonja […]
FANTINA sy FINTINA
Nampiakarin’ireo depiote ny tetibolan’ireo minisitera sasany, araka ny fanitsiana nataon’ny eo anivon’ny asam-baomiera eny Tsimbazaza. Anisan’izany ny namindrana ny tetibolan’ny fiadidiana ny Repoblika ho an’ny minisitera vitsivitsy. Nampiana koa ny tetibola ho an’ny fahasalamana sy ny ao amin’ny rano. Tsy miova kosa ny fampiakarana karama. Tafaverina eo anivon’ny Ceni Rakotonarivo Thierry. […]
Mpiasam-panjakana ambony : “Tsy misy idiran’ny politika ny fanendrena”
“Manao karazana fanadihadiana kely aho momba azy io.” Izay ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny mpanao gazety teny Ankatso, ny faran’ny herinandro teo, momba ny fandraisana mpiasam-panjakana ambony. Taorian’ny famoahana ireo mpianatra nahavita fianarana, andiany Soatilo nahazo “licence” sy ny andiany Fanilo mamiratra nahazo “master”, […]




