Depiote miisa dimy avy amin’ny Irmar no hoesorina. Efa voarain’izy ireo ny taratasy avy amin’ny HCC. Manana herinandro hiarovan-tena ry zareo ka hanampy amin’ny fiarovana ny lehiben’ny mpanohitra, Milavonjy Philobert. Voaroaka tsy ho solombavambahoaka intsony ny depiote Irmar miisa dimy. Efa naharay ny fampahafantarana avy amin’ny mpitsara avo izy ireo. […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
“Aza dia mandany andro amin’ny resaky ny olona mpitady seza sy te hankalaza tena”. Io ny hafatry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Matsiatra Ambony, Rakotoniaina Pety, ho an’ny Praiminisitra, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fisian’ ny fitakiana ny fandravana ny governemanta. Ry zareo solombavambahoaka no tena tokony […]
OJM : Maika ny fananganana rafitra vonjimaika
Nifarana tamin’ny taon-dasa ny fe-potoam-piasan’ny biraon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara (OJM) teo aloha. “Manoloana ny fahabangana eo anivon’ny OJM, nahita ireo fikambanana 18 fa maika ny hananganana rafitra vonjimaika na tetezamita ho an’ny mpanao gazety”, hoy ny fanazavan’ny mpikambana eo anivon’izay rafitra vonjimaikan’ny holafitra izay, ny mpanao gazety […]
Kolonely Randrianirina Michaël : “Isika manamboninahitra izao no antenain’ny vahoaka”
Nankalazaina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny Andron’ny manamboninahitra eto Madagasikara. ”Antenain’ny vahoaka isika”, hoy ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, nandritra izany. “Isika manamboninahitra izao no mitondra. Isika manamboninahitra izao no antenain’ny vahoaka. Dia manantena ny firaisankina sy ny fiombonam-po ho antsika rehetra mba hahazoantsika miroso”. […]
FANTINA sy FINTINA
Tonga niarahaba ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, niaraka tamin’ireo mpanolotsaina avo, teny Lapan’ Ambohitsorohitra, afakomaly, noho ny taona vaovao 2026, ny fianakaviamben’ny Tafika notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Razafitombo Maminirina Ely. Nanambaran’ny filoha fa fanehoana fiaraha-mandroso ny fahatongavan’izy ireo. Tsy hanala baraka ny Tafika izy […]





