Tezitra mafy ny depiote « Del kely » tao amin’ ny fandaharana Miara-manonja, omaly. Nambarany fa manao be fiavy miverina anaty fitondrana ny olon’ireo mpitondra teo aloha. « Tsy nitolona ho an’ny Mapar sy ny forongony no natao ka hamerina ireo olona ireo… Tsy toerana no nitolomako fa foto-kevitra. Azo esorina amin’ny toerana aho », […]
Politika
Jly Ravelonarivo angelo: Nesorina tsy ho prefen’Antananarivo
Voatendry ho prefen’ny Polisy Antananarivo, Rajafetra Abraham Setraniaina Solomanjaka, araka ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, nampitain’ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, omaly. Araka izany, nesorina amin’ny toerany ny Jly Ravelonarivo Angelo, izay efa nifona ampahibemaso tamin’ny tsy fanokafana an’Ambohijatovo nanomboka ny 25 septambra. Vao mainka nampitombo […]
Politikan’ny fitsitsiana : Anjaran’ny minisitera ny mitokana zava-bita
Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra afakomaly, teny Iavoloha, ny hampiharan’ny fitondram-panjakana ny politikan’ny fitsitsiana, manomboka izao. «Tsy voatery hiandry ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika avokoa ny fitokanana sy ny fanombohana tetikasa eny ifotony na any amin’ny faritra », araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Tafiditra amin’ny […]
Nifampihantsy ny Irmar sy ny Tim: Ambivitra ny fifandonana tetsy amin’ny fitsarana
Ambivitra ny tsy nisehoan’ny fifandonana tetsy Anosy, teo amin’ny mpomba ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Ramanantsoa Harilala, sy ny kandidà, Ravalomanana Tojo, omaly. Niakatra fitsarana ny fitorian’ny mpisolovava ny Tim amin’ny hanintsanana ny kandidàn’ny Irmar, tamin’ ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo. Samy nihorakoraka sy nifampihantsy tamin’ny alalan’ny vava sy nilanja sorabaventy […]
FANTINA sy FINTINA
Nosalorana ny samboady maha loholona azy, i Bevoavy Joel. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ Anosikely ny lanonana momba izany. Tsiahivina fa misolo ny loholona teo aloha, lasa minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie, ity loholona vaovao ity, manomboka izao. Nambaran’ny Praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, fa tokony hatsahatra amin’izay ireo fitakiana […]




