Nitafa tamin’ny mpanao gazety vahiny ny filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël, afakomaly. Nitondrany fanazavana tamin’izany ny raharaham-pirenena. ”Omena ohatra ny vahoaka malagasy fa tena atao ny ady amin’ny kolikoly. Nisy ny teny mita navoaka fa hotsaraina amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ireo tomponandraikitra, fa tsy ilaina ny Fitsarana avo (HCJ)”. Io ny […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Tafaverina ho depiote ireo minisitra telo teo aloha, fony fitondrana Rajoelina. Anisan’izany Sahondrarimalala Marie Michelle, minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Mara Donna Volamiranty, minisitra teo aloha nisahana ny Serasera sy ny kolontsaina ary Razafinjato Aurelie, minisitra teo aloha nisahana ny Mponina. Navoakan’ny HCC, omaly, ny didy momba izany. Hentitra ny minisitra Fanirisoa […]
Depiote Ralambozafimbololona Fetra: « Hafaingano ny fifidianana sefo fokontany »
Naneho ny heviny manoloana ny fitantanana eny ifotony ny depiote Ralambozafimbololona Fetra, voafidy tetsy amin’ny boriborintany fahadimy. Nambarany fa efa tafapetraka sy ara-dalàna ny Prefet vaovao. Eo koa ireo sefo distrika rehetra manerana ny Nosy, ka tokony handray andraikitra ny eo anivon’ny minisiteran’ny Atitany. « Takinay ny hanatanterahana ka hanafainganana ny […]
Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy manadino ny ezaky ny mpitolona ny firenena”
Nitsidika sy nampahery ilay voatifitra tamin’ny tolona ireo filoha mpiara-mitantana efatra mirahalahy. Nambaran’izy ireo fa mitohy ny fanadihadiana momba ireo fitifirana sy ireo naratra nandritra ny hetsika na koa ireo niharam-boina. “Tsy manadino ny ezaka nataonareo ny firenena. Fitiavan-tanindrazana no nahatonga anao toy izao. Mankahery! Aza kivy… Eo foana izahay […]
Fikaonandoham-pirenena : Mitaky ny hanadiovana ny tokotany ny Panorama
Tsy an-kiandriandry. Efa nanomboka ny fikaonandoha, amin’ny alalan’ny dinika Santatra, ny eo anivon’ny Paikady anorenana ny rahampitson’i Madagasikara (Panorama), natao teny Itaosy, ny herinandro teo. Anisan’ny voaresaka tamin’izany ny momba ny fanadiovana ny tokotany, mialoha ny fifidianana. Tafiditra ao anatin’izany ny lalàm-pifidianana tokana amin’ny alalan’ny fanavaozana ifotony ny fitantanana izany. Eo […]




