“Misokatra amin’ny fiaraha-miasa i Madagasikara ao anatin’ny fifanarahana madio sy tsy misy fitsabahana”. Io no tenin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fiarahabana azy sy ireo mpanolotsaina avo nataon’ny vondron’ny ambasadaoro vahiny miasa eto Madagasikara, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny faran’ny herinandro teo. Saika nahatonga solontena […]
Politika
Ady amin’ny tsimatimanota : Niverina any am-ponja ny depiote Ramanatanana Roméo
Taoriian’ny fifampidinihana teo aminy sy ny minisitry ny Fitsarana, niverina anya m-ponja ny depiote voafidy tao Soavinandriana, Ramanatanana Roméo. Voarohirohy amin’ny trafikana sokatra ity farany. Tsy afa-bela… Niverina any amin’ny fonjaben’ Antanimora (?) fa tsy Tsiafahy, ny faran’ny herinandro teo, ny depiote tsy miankina voafidy tany distrikan’i Soavinandriana, Faritra Itasy, […]
FANTINA sy FINTINA
Misy misovoka ao anaty fitondrana amin’izao, araka ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Mahajanga II, Ramananarivo Orlando. Mila jerena akaiky sy hanapahan-kevitra ny momba izay. Maro ireo fanaratsiana mandeha, manimba endrika ny fitondrana. Sarotiny ry zareo izay manohana an’izao fitondrana mijoro izao. Maro ireo olona tratra sy voasaringotra […]
Fampandrosoana : Hanohana ny Faritra rehetra ny Praiminisitra
Vonona ny Praiminisitra hanohana ny faritra Analamanga sy ny faritra rehetra eto Madagasikara amin’ny fampiharana ny fandraisana fahefana marina, ny fanomezana fanampiana ary ny fanohizana ny ady amin’ny heloka bevava eo amin’ny sehatry ny toekarena. Izay no anisan’ny nisongadina tamin’ny fitsidihan’ny lehiben’ny Faritra Analamanga, Raharinirina Clémence, ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama […]
Minisi-panjakana Razafimanantsoa H. : “Vitaina amin’ity taona ity ny fikaonandoham-pirenena”
“Tsy maintsy vita alohan’ny faran’ny taona 2026 ny fikaonandoham-pirenena”, hoy ny minisi-panjakana eo anivon’ ny fiadidiana misahana ny Fanavaozana ny Repoblika, Razafimanantsoa Hanitra, tamin’ny mpanao gazety, teny Antaninarenina, omaly. Efa vita ny tombana ny zava-misy, fa ny fomba hanatanterahana azy izao. Fametrahana ny foto-kevitra sy ny fomba fiasa ary ny […]





