Nosamborina omaly, teny amin’ny trano fonenany, afakomaly, ny jeneraly Ravalomanana Richard. Maro ny vesatra anenjehana azy, toy ny fisandohana andraikitra, fanohintohinana ny fiandrianam-pirenena, firaisana tsikombakomba amin’ny vono olona… Nosamborin’ny zandarimariam-pirenena teny amin’ny trano fonenany, teny Ambatovinaky, afakomlay, tokony ho tamin’ny misandratrandro, ny jeneraly misotro ronono, Ravalomanana Richard, na Jly baomba […]
Politika
Antenimierampirenena: “Fitoriana telo ny mahakasika ny filoha teo aloha”
“Fitoriana telo no napetraka eny anivon’ny Antenimierampirenena hahazoana mandefa ny raharaha eny amin’ny Fitsarana avo (HCJ).” Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, nivahiny tao amin’ny televiziona TV 5 Monde, ny fiandohan’ny herinandro, famampitam-baovao voaray omaly, momba ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry. Ny Antenimierampirenena no mandinika ny […]
Kardinaly Tsarahazana Désiré: “Hampandray andraikitra marina antsika ny fanavaozana”
Nitondra ny hafatra noho ny fahatongavan’ny Noely ny arsevekan’i Toamasina, ny kardialy Tsarahazana Désiré. Anisan’ny nasiany teny ny momba ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin’ny fanavaozana. Tsy lany hamamiana ny arahaba sy ny firarian-tsoa ary ny hafatra… “Rariana àry ny fanavaozana kasaintsika hatao ity hampandray andraikitra marina tokoa antsika eto […]
Tsy fanatrehana fivoriana: nesorina ny loholona Ravalomanana sy Lalatiana R.
Nesorina tsy ho loholon’i Madagasikara ny Jly Ravalomanana Richard sy Rakotondrazafy Lalatiana, araka ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), afakomaly. Raha ny And. 8 amin’ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimerandoholona: miala avy hatrany izay tsy manatrika ny fivoriana, ka tsy mametraka fanazavana na taratasy fialan-tsiny ny antony rehefa […]
Hafatry ny fivondronamben’ny Eveka : « Aoka isika hahay haka lesona amin’ny tantara »
Nampita hafatra tahaka ny fanaony, isan-taona amin’ny fetin’ny Noely sy ny taona vaovao tahaka izao, ny eo anivon’ ny fivondronamben’ny Eveka (Fem). Nambaran’ny filohan’ny Fem, ny evekan’i Morondava, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien, fa ao anatin’ny krizy amin’ny toekarena sy sosialy, politika ary tontolo iainana isika izao. Nanteriny fa anisan’ny nahatonga […]





