Politika

Filankevitry ny minisitra: miisa 139 ireo fanendrena mpiasam-panjakana ambony

Anisan’ny voatendry tamin’izany filankevitry ny minisitra izany, i Rolly Mercia, hisahana ny talen’ny serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Mpanao gazety ary efa minisitry ny Serasera teo aloha sady vao nivoaka ny fonja, farany teo. Talen’ny kabinetran’ny fiadidiana ny Repoblika, ny mpanao gazety, Onitiana Realy. Efa minisitry ny Mpo­nina, fony […]

Fifanjevoana teny amin’ny HCC: vita fianianana ihany ny mpikambana vaovao

Tafapetraka tamin’ny toerany ihany, halina, ny mpikambana vaovao ao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Taorian’ny savorovoro, niafara tamin’ny fiakarana teny Iavoloha, niravona ny olana. Nahavita ny fiainianany ireo mpikambana vaovao miisa telo eo anivon’ny HCC. Niainga tamin’ny fanendren’ny filoham-panjakana izany. Anisan’izany Tianjanahary Andriamalaza sy Rasolofonjatovo Norovola Ha­ritiana ary Andriamampandry […]

Antoko PSD: « Tsy azo ekena intsony ny zara vilana… »

Nitondra ny heviny ary ha­nolotra Lalàmpanorenana hoentina amin’ny fikaonandoham-pirenena ny avy amin’ny antoko PSD, tarihin’i Eliana Bezaza. Nambarany tetsy Man­­droseza, omaly, fa tonga amin’ny kihon-dalan’ny tan­tara isika, taorian’ny fahara­van’ny fitondrana teo aloha, vokatry ny fitakian’ny tanora miandrandra fiainana tsara­tsara kokoa. Manoloana izany, nilaza ho mahatsiaro manana adidy ny PSD hitondra […]

Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana: mpanolotsaina ambony miisa telo nosoloina, omaly

Nosoloin’ny fitondram-panjakana, omaly, ny mpanolotsaina ambony eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana. Voalaza fa nametra-pialana izy ireo saingy mitsipaka izany izy telo mianadahy. Namoaka didim-panja­kana lah. 2025-1965 ny filohan’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, nampitain’ny sekretera jeneralin’ny governemanta, Razafi­manantsoa Heritiana Joël. Tsy inona […]

Fitantanana eny ifotony: lesoka goavana ny tsy fahaizan’ny olom-boafidy

Taorian’ny nandraisan’ny miaramila, filoham-panjakana, ny fitantanana an’i Madagasikara, anisan’ny maro mpangataka ny fanesorana ben’ny Tanàna. Araka ny fanadihadiana, tsy ny loko politika ihany no mahatonga izany fa lesoka iray lehibe koa ny tsy fahafehezana ilay asa. Matetika heno amin’ny haino aman-jery sy ny tambajotran-tserasera ny hoe mila sivana ny fanaovana […]