Nitondrana fanazavana, taorian’ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny Cnaps, ny eo anivon’ny SMGD. Voaresaka ny momba ilay trosa mitentina 11 miliara Ar. «Tsy mitsoaka velively amin’ny famerenana ny trosa ananan’ny Cnaps aminay izahay. Mangataka kosa anefa ny fifampiresahana ho famahana ny olana », hoy ny tale jeneralin’ ny SMGD, Andriamananiony Thierry. Nohamafisiny fa tsy […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Nametrahana tsangambato ahitana ny sarin’ny amiraly Didier Ratsiraka mianakavy ao Vatomandry. Tafiditra amin’ny fahatsiarovana ny 4 novambra, daty nahaterahany izany. « Tranokely vita amin’ny fomba nentim-paharazana no nilatsahan’ny tavoniny. Niainga tamin’ny kely indrindra izy ary nisondrotra ka lasa filoham-pirenena », hoy ny zanany, Ratsiraka Sophie. Hitsidika ny atsy Maorisy ny filoha frantsay, […]
Famahana krizy – HCDDED: Araka ny hetahetam-bahoaka ny soso-keviny
“Tsy miala amin’ny hetahetam-bahoaka ny soso-kevitra. Mizara dingana telo lehibe izany farafahakeliny”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), Ranadialison Angelo. Taorian’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana tamin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kly Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, tamin’ity herinandro ity no […]
Fanorenana iarahana amin’ny FFKM : Hatao amin’ny herintaona ny fikaonandoham-pirenena
Tsy ho tratra amin’ity taona ity. Andrasana ny andro hanatanterahana ny fihaonambem-pirenena karakaraina sy tarihin’ny FFKM miaraka amin’ny fitondram-panjakana. Tafiditra amin’ny famahana olana sy fiatrehana ny fanorenana ifotony ny Repoblikan’i Madagasikara ny fanatanterahana izany. Tombanana ho any amin’ny telo volana voalohan’ny taona 2026 ny hirosoana amin’ny fikaonandoham-pirenena, araka ny loharanom-baovao. […]
FANTINA sy FINTINA
Nesorina tamin’ny toerany ireo tale jeneraly maromaro eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra, omaly. Voatendry ho tale jeneralin’ny Sampandraharaham-pirenena miady amin’ny hosoka « Agence nationale anti-fraude » kosa ny Kly Andrianasoavina Charles. Hanao fitsirihana ireo minisitera sy Andrimpanjakana ny mpisafo raharaham-panjakana (IGE). Haharitra 90 […]




