Politika

Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama: “Ho avy ny tomban’ezaka ny fitondrana”

Tapitra ny roa volana fanamby ho an’ny governemanta amin’ny fanavaozana ifotony sy ny fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka. Mby aiza ? Ho avy ny tomban’ezaka… “Ho avy ny tomban’ezaka ny fitondrana ny fanavaozana ifotony”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama, tamin’ny dinidinika tamin’ny tamin’ny haino aman-jery sy ny solontenan’y Gen Z, teny Mahazoarivo, omaly. […]

FANTINA sy FINTINA

Ny Malagasy rehetra mivondrona entanin’ny fitiavana ny firenena sy ny Malagasy mitovy amin’ny tena ihany no lalana hampandroso ny firenena. Izay ny fiarahabana noho ny taona vaovao nataon’ny filoha mpisolo toerana ny Antenimierandoholona, ny loholona Ndremanjary Jean-André, ny 1 janoary teo. Amin’ny maha andrimpanjakana mpiahy ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ny Antenimierandoholona […]

FFKM : “Ho taon’ny fitiavana sy fifankatiavana ny 2026”

“Manasa antsika hanatsara ny faravodilanitry ny fisiantsika ka amin’ny fitiavana dia manampy antsika mba tsy ho maraina tonga hariva fotsiny ny fiainantsika, fa tena fiainana vonton’ny fitiavana sy ny fifankatiavana”. Io ny fiarahabana sy firarintsoan’ny filohan’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Mada­gasikara (FFKM), ny arsevekan’ Antananarivo eo anivon’ny Ekar, ny Mgr […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Handraisana fepetra amin’ny tomban’ezaka ny governemanta”

Araka ny fanamby, roa volana no nomena ny governemanta amin’ny fanatanterahana ny hetahetam-bahoaka teny an-kianja. Hisy ny tomban’ezaka izay handraisana fepetra amin’ny fitazonana na fanoloana minisitra… “Ny tonon-taona toy izao no voatokana anaovana tomban’ezaka. Mifanojo sy mifanindry amin’ny fe-potoana roa volana nomena iasan’ny governemanta izany. Eo am-panatanterahana ny tomban’ezaka sy […]

Fampanantenan’ny Kly Randrianirina M.: nandray tambim-pankasitrahana ny mpiasam-panjakana

Noho ny findangan’ny vidim-piainana, nanome tambim-pankasitrahana 310 000 Ar ny mpiasam-panjakana ny Filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël. Efa nisy ny fizarana ny ilain’ny mponina andavandro mialoha an’io, tany atsimon’ny Nosy. Notanterahina avy hatrany! Nanomboka omaly ny fandraisan’ny mpiasam-panjakana ilay vola tambim-pankasitrahana avy amin’ ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasi­kara, […]