Politika

SMGD- Naina Andriantsitohaina: « Tsy misy idiran’ny vadiny », hoy ny Me Andrianarivoson Nicole

Mbola tazomin’ny Bianco, eny Ambohibao, ny vadin’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. « Tsy misy idirany ny raharahan’ny SMDG sy ny kaominina. Mampieritreritra ny fitazomana azy », hoy ny mpisolovava, Me Andrianarivoson Nicole. Nitafa tamin’ny mpanao gazety, teny Antani­me­na, omaly, ny Mpisolo­vava ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina. No­tsiahiviny ny tranga […]

Filoha Randrianirina Michael sy ny Sadc: « Hiezaka amin’ny dingan’ny fanavaozana izahay »

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny fivoriana tsy ara-potoana nampitain-davitra eo amin’ireo filoham-panjakana sy governemanta eo anivon’ny Sadc. Anisan’ny nandray anjara tamin’izany, sady sambany, ny filoha ny Kly Randrianirina Michael. Notsiahiviny tamin’izany ny fanapahan-kevitr’i Madaga­sikara amin’ny fialana tsy ho mpitantana ny Sadc. « Ezaka ataonay izao ny fifantohana ny fanatanterahana ny […]

Raharaha Cnaps sy SMGD: Nosavaina ny tranon’ Andriantsitohaina Naina

Nosavaina omaly ny tranon’ny minisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina, etsy Andranobevava. Nanatanteraka izany ireo mpitandro filaminana nanao fanamiana sivily. Voalazan’ny loharanom-baovao iray fa anisan’ny anton’izany ny «Raha­ra­ha Cnaps sy ny SMGD», orinasa eo anivon’ny kaominina Antanana­rivo Renivohitra. Tsy hita teny an-toerana, ta­min’ny fisavana anefa, ny mi­nisitra teo aloha, Andriantsitohaina Naina, […]

FANTINA sy FINTINA

Telo ireo fanendrena nofoanan’ny filankevitry ny minisitra ny faran’ny herinandro teo. Anisan’ izany ny nanesorana an-dRakotomanga Rinah teo anivon’ny masoivohon’i Sina. Tahaka izany koa ny mpanolontsain’ny masoivoho ao Frantsa, Randim­biarisoa Mishou, ary ny nanalana ny masoivoho atsy Maorisy, ny Jly Camille Vital. Nofoanana ny fepetra tsy fahafahana mi­voaka an’i Madagasikara […]

Tsy fahazoana mivoaka an’i Madagasikara: Miisa 34 ireo olom-panjakana ambony teo aloha

“Mandrara ny fivoahana an’i Madagasikara ho an’ireo olom-panjakana ambony, mi­isa 34 teo anivon’ny fitondrana teo aloha, ny didy fanapahana, lah. 286 noraisin’ny mi­nisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, ny 31 oktobra 2025.” Io ny fampahalalam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny faran’ny herinandro teo, momba ireo olom-panjakana ambony teo amin’ny fitondrana […]