“Mila finiavana politika ny hoavy politikan’i Madagasikara. Mila olona toa an’i Jerry John Rawlings tany Ghana. Miaramila izany. Sahy manova…” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse, ny amin’ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao, hirosoana amin’ny hoe fanavaozana. Raha sahy manova, tsy maintsy atao […]
Politika
Antenimierampirenena: saro-toerana ireo depiote tsy tonga mivory
Nesorina amin’ny maha loholon’i Madagasikara azy ny loholona isany, ny jeneraly Ravalomanana Richard sy Rakotondrazafy Lalatiana. Araka ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), tamin’ny 24 desambra lasa teo. Antony ny tsy fanatrehana fivoriana tsy nametrahana taratasy fanazavana na fialan-tsiny ny antony azo ekena: naman’ny manala tena avy hatrany. […]
Ndremanjary Jean-André: “Olana seza ny fitakiana fandravana andrimpanjakana”
“Raha tonga ny filazan’ny sasany hoe harodana indray io fa hovaina zavatra hafa, olana seza izany. Mba manana olom-boafidy ve ireo olona miteny an’izany? Tsy misy. Olona fantatra avokoa ihany izy ireo.” Izay ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana, Ndremanjary Jean-André, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny […]
“Raharaha Ravalomanana Richard”: tsy misy mipika ny fanadihadiana eny Andrefan’Ambohijanahary
Mbola ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ny mpanao famotorana, eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ao amin’ny Toby Ratsimandrava. Nilaza izy ireo fa tsy afaka ny mizara ny fivoaran’izany aloha, hatreto, ho fanajana ny tsiambaratelon’ny fanadihadiana sy ny zon’ny olona nosamborina. Izay ny vaovao farany mahakasika ny jeneraly Ravalomanana Richard, izay tazomina etsy amin’ny […]
Minisitry ny Atitany: “Mba ho fampandrosoana ny distrika rehetra”
“Tiako hamafisina fa izay ny zavatra hita : tsy mora ny hoe fanavaozana lehibe tokony hoentintsika amin’izao fotoana izao. Ny fijerena ireo distrika rehetra mandrafitra ny Faritra mba tsy ho distrika iray na roa ihany… Ny distrika rehetra mba ho hita sy hahazo tombontsoa sy fampandrosoana avokoa”. Izay no nambaran’ny […]





