“Anjarantsika ny mandinika ny hoavintsika Malagasy. Isika Malagasy no handinika ny fomba hitondrantsika ny dinika nasionaly, satria ho an’ny Malagasy.” Io ny valin-tenin’ny Praiminisitra Rajaonarivelo Herintsalama tamin’ny mpanao gazety teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny antson’ny SADC ny tokony hamerenana an-tanindrazana ireo mpialokaloka politika malagasy any ivelany. Hajaina […]
Politika
Fikaonandoham-paritry ny Silamo: mivoy ny faritany mizaka tena, foanana ny toeran’ny praiminisitra
Efa nahavita ny fikaonandoha teny anivon’ny faritra ny eo anivon’ireo mpino silamo ary hiroso amin’ny fikaonandoham-pirenena eo amin’izy samy izy ireo. Nitondra tolo-kevitra maromaro momba ny fanavaozana sy ny raharaham-pirenena izy ireo, tamin’izany. Nambaran’ireo mpizaika fa anisan’ny nivoitra tamin’ny fakan-kevitra teny anivon’ny faritra ny fitazonana ny fanjakana tokana. Hapetraka kosa […]
FANTINA sy FINTINA
Mila omena lanja ny vehivavy ao anatin’izao fitondrana fanavaozana izao, araka ny fanehoan-kevitr’izy ireo, nanao atrikasa teto Antananarivo, omaly. Nohitsin’izy ireo fa maro ny fanilikilihana nihatra tamin’ny vehivavy mpanao politika nandritra ny fitondrana teo aloha. Nojerena tamin’izany ny anjara toeran’izy ireo, manomboka eny amin’ny fokontany. Nambaran’ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianainarivelo […]
Antenimierampirenena : “Aoka ny governemanta hanatsara ny sosialim-bahoaka”
“Miantso ny governemanta izahay hanohy ny ezaka ho fanatsarana ny sosialim-bahoaka sy hanamafy ny ady amin’ny kolikoly izay napetraka ho laharam-pahamehana”. Io no namaranan’ny filoha Randrianasoloniaiko Siteny, ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena, teny Tsimbazaza, omaly. Nantsoiny ny hery velona rehetra handray anjara amin’ny dinika nasionaly hahazoana mametraka miaraka ny lalàmpanorenana […]
Filoha, ny Kly Randrianirina Michaël: « Ilaina ny faharetantsika sy ny fahatokisana »
Nitohy omaly ny fitsidihan’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, ny any atsimon’ny Nosy. Nitondra fanazavana momba ny fiainam-pirenena ny tenany. “Firenena efa potika an-taonany maro no harenina. Tsy ho vitantsika ao anatin’ny andro vitsy anefa izany fa ilaina ny faharetana sy ny fahatokisana anay, ahavitantsika manarina ity firenentsika ity», hoy […]





