Politika

Fivoriamben’ny ONU : Hodinihana any New York ny « Iles Eparses »

Miverina ary anisan’ny tafiditra ao anatin’ny lahadinika iraisam-pirenena indray ny raharaha momba ireo Nosy malagasy (Iles Eparses). Manomboka anio any New York ny fivorian’ny Firenena mikambana (ONU) ka nampahafantarana fa tafiditra ho lohahevitra faha‑60 ao amin’ny fandaharam-potoanan’ny fivoriana faha‑80 eo anivon’ny ONU ireo Nosy malagasy ireo. Voalaza fa hiverenana hodinihina […]

Morondava : Notokanana ny ZDS Tsiribihina

Notokanana ny zoma lasa teo ny tobin’ny fari-piarovana sy filaminana na Zone de défense et de sécurité (ZDS) Tsiribihina ao Morondava. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Repoblikan’i Mada­ga­sikara sady lehibe faratampon’ny Foloalindahy, Rajoelina Andry niaraka tamin’ny Prai­minisitra lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, sy ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Del­phin, […]

Fiaraha-miasa ara-pitsarana: Niara-nivory ny amerikanina sy ny minisitera

Niara-nivory ho fanamafisana ny fiaraha-miasa ny solontena avy amin’ny masoivoho amerikanina sy ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana, teny Faravohitra, omaly. Nivoitra tamin’izany ny ho fanatsarana ny fiaraha-miasa entina hanatsarana ny fandraharahana ny fonja. Nialoha ny fihaonana ny fananganan-tsaina. Nam­ba­ran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, ny fisaorana ireo rehetra nikarakara […]

FANTINA sy FINTINA

Hodinihina ny hamoronana kaominina vaovao noho ny fiveralaran’ny fokontany, araka ny resaka nifanaovan’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalo­manana Richard, sy ny depioten’Ifanadiana, Manantena Haja Dinah, omaly, tetsy Anosy. Voaresaka koa ireo kaominina maromaro tokony hahazo distrika ary hahazoana faritra aorian’izany. Nitsikera ny minisitry ny Asa vaventy ny depiote Ratsiraka Roland. Nambarany fa […]

Fampandrosoana eny ifotony : Naravon’ny MFFT ny tetikasa Mionjo

Hiditra amin’ny dingana faharoa ny tetikasa Mionjo, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Notanterahina tetsy Anosy, araka izany, ny atrikasa fa­mintinana sy fandravonana ity tetikasa fampandrosoana eny ifotony ity. Niara-nifanotrona tamin’izany ireo solontena avy amin’ny Andrimpanjakana, ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika ary ny solontenan’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena. Nambaran’ny eo […]